Kolontsaina : Hivetso ireo hira nanamarika azy ny taona 2000 indray i Mirado ao amin’ny CCESCA
19 taona aty aoriana dia haverina ho vetsoina ao amin’ny CCESCA Antanimena indray ny « tena tiako ianao », izay hira nanamarika an’i Mirado. Hanatanteraka seho lehibe ao an-toerana ny tenany ny 18 mey ho avy izao ; ary ireo hira nanamarika azy tany amin’ny taona 2 000 tany ho any no hibahan-toerana amin’izany.
Fiverenana mana-tantara
CCESCA no toerana nanatanterahan’i Mirado fampisehoana irery voalohany ny taona 2006, raha ny fanazavany. Nampalaza azy sy nametraka ny toerany teo amin’ireo mpankafy ny hira « tena tiako ianao », tamin’io fotoana io. Ho averina indray izany seho izany amin’ity taona ity ary ao an-toerana ihany. Ankoatra izay dia hanakoako ao amin’ny CCESCA ihany koa ny « ilay hatsaranao », « ilay anjeliko », « trano bongo » sy ireo hira nanamarika azy tamin’izany fotoana. Hiara-hiaina ny fampisehoana voalohany taminy indray araka izany ireo mpankafy. « Mbola tsy 20 taona fa haverintsika mahafinaritra be ny fotoana rehetra », hoy ny tenany tao amin’ny pejiny.
Mpanakanto tsy lefy laza
Ny taona 2026 no feno 20 taona ny fiakaran’i Mirado an-tsehatra. Maro ireo salan-taona rehetra niara-niaina taminy, ireo hira mampangorintsika samihafa. Nanomboka tamin’io fotoana io ka hatramin’izao dia mbola tsy lefy laza ity mpanakanto iray, mivoy ny mozika « pop rock » ity. Saika hiram-pitiavana hatrany no nahalalana azy, ary ireo tanora no tena mpankafy. Heno hatrany izy ireny na anaty fetim-pianakaviana na fety hitambarana na karaoke.
Araka izany, hahafahan’ireo mpankafy rehetra miaina ny fotoana dia ho vetsoiny ao an-toerana ihany koa ireo hira vaovao sasany. Ireto farany ireto izay mbola mitoetra hatrany eo amin’ny tanora ary tsy mety lefy laza, na dia eo aza ny fivoarana samihafa eo amin’ny mozika. Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fivarotana ny tapakila.