• Cours de change
  • 5021.37 AR
  • |
  • $4443.27 AR
Copyright Image : © Mjs
Image
Vaovao

Fanabeazana : Notoloran’ny Alliance Française boky miisa 64 ny Minisiteran’ny tanora

07/05/2025 13:13 © Moov

Ho fampiroboroana ny fanabeazana, indrindra ho an’ny tanora, nanolotra boky ho an’ny Minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena ny Alliance Française Andavamamba. Hapetraka eny amin’ny QG tanora Ankorondrano ireo karazam-boky ireo.

Boky fianarana sy fialamboly

Boky amin’ny karazany samihafa miisa 64 ireo natolotra ho sitrahin’ny tanora ireo. Isan’ny manamarika izany ny boky mirakitra tantara foronina. Ity farany ity izay isan’ny boky be mpamaky ary ankafizin’ny tanora, indrindra. Ahitana mpanoratra vahiny sy malagasy ihany koa izy ireo. Anisan’ny nampiavaka ity fanomezana ity ny fisian’ny boky nosoratan’ilay poeta sy mpanoratra malaza Julien Rakotonaivo, mitondra ny lohateny hoe “Échos et murmures du temps jadis”. Amin’ny ankapobeny dia boky amin’ny fiteny frantsay ireo boky fanomezana ireo.
Ankoatra ny fahafinaretana azo avy amin’ny famakiana boky, manefy amin’ny fahaizana voambolana sy fahalalana maro isan-karazany izy io. I Madagasikara rahateo izay mampiasa ny teny frantsay ho enti-mampianatra ka ilain’ireo tanora ireo ny mba hanan-karena amin’ny voambolana ampiasaina. Manampy ny maha-zava-dehibe ny vaky boky ihany koa ny fifehezana ny teny vahiny, indrindra ho an'ireo tanora efa eny amin'ny Ambaratonga Ambony na amin'ny sehatry ny asa.

Miverina mankafy boky ny tanora

Miha-mitombo isa hatrany ny tanora mahita fy manokana amin'ny vaky boky. Mahaliana tokoa ny mamaky boky taratasy, na dia eo aza ny finday sy ny solosaina ary ny aterinteo. Tsikaritr’ireo mpivarotra boky fa mahaliana kokoa ny tanora ny tantara foronina, ny tononkalo sy ireo boky kisarisary. Vehivavy no betsaka amin’ireo mpankafy boky ireo.
Etsy ankilany anefa, mijanona ho sakana hatrany ny vidim-boky, izay matetika tsy takatr’ireo tanora mbola mpianatra. Izany indrindra no ilàna ny fanolorana boky toy izao, mba hanamorana ny fisitrahana azy. Efa misy ihany koa anefa ireo rindram-baiko samihafa hahafahana misitraka boky nomerika, saingy isan’ny mbola manana ny mampiavaka azy hatrany ny boky azo raisin-tanana.

Lire la suite

Articles Similaires