Fambolem-bary : Hisitraka fampiofanana any Chine ireo tantsaha mahazo vokatra tsara amin’ny fifaninana “Ndao Hamboly”
Hampitomboina hatrany ny voka-bary eto Madagasikara. Izany no isan’ny tanjon’ny fiaraha-miasan’ny Sekreteram-panjakana misahana ny fahaleovantena ara-tsakafo sy i Chine. Araka izany, aorian’ny fanapariahana ny vary safiotra dia hisitraka fampiofanana any Chine ireo tantsaha manana voka-bary tsara, tao anatin’ny fifaninana « Ndao Hamboly ».
Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo
Nidina teny an-tanimbary nijery sy nihaona tamin’ireo tantsaha teny Atsimondrano ny ny Sekreteram-panjakana misahana ny fahaleovantena ara-tsakafo, Ramatoa Tahian’Ny Avo Razanamahefa, niaraka tamin'ny solombavambahoaka Andry Ratsivahiny sy ireo teknisiana ary manampahaizana Sinoa manampy amin’ny fampandrosoana ny voly vary eto Madagasikara. Tokana mantsy ny tanjona amin’izany dia ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fahaleovan-tena na ny hialana amin’ny fanafarana sakafo.
Araka izany, io fampiofanana hatolotra ireo tantsaha io dia mbola tohin’ny fanatrarana ny tanjona hatrany. Raha tsiahivina ity fifaninanana ity dia natao hampivoarana ny rafi-pambolena sy ny fahatrarana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo. Nasehon’ity Sekreteram-panjakana ity manokana koa fa fitohizana amin’ny fanohanana ny tantsaha izao hetsika izao ka izay no nanamafisany ny maha-zavadehibe io fampiofanana any Chine io.
Mahomby ny vary safiotra
Io fidinana an-tsehatra io dia nanamafy fa mahomby ny fampiasana ity masomboly vary safiotra ity. Velom-panantenana ireo mpamboly teo amin’ny kaominina Fenoarivo noho ny vokatra. “Raha oharina amin’ny vary mahazatra, manodidina ny 130 ny voam-bary isaky ny salohim-bary iray, amin’izao fampiharana ny vary safiotra izao, mahatratra hatramin’ny 240 ny voa amin’ny salohim-bary tokana monja ary mbola hitombo izany mandrapiakatry ny vokatra.” hoy hatrany ny tantsaha nanampy. Marihina fa nanomboka ny volana desambra ny fifaninanana ka mbola maro ireo tsy mbola mijinja.
Ity karazana masomboly ity moa raha ny fanazavana dia efa notiliana ka efa mahazaka ny toetr’andro eto Madagasikara. Vina ny hanapariahana izany manerana ny Nosy mba hanatsarana ny vokatra.