• Cours de change
  • 5159.2 AR
  • |
  • $4417.58 AR
Copyright Image : © Vohibato Mandroso Hatrany
Image
Vaovao

Haintany : Mikaikaika ireo mpamboly ao Mahasoabe Fianarantsoa

06/01/2025 03:55 © Moov

Miha-ritra ny reniranon'i Matsiatra ka tsy mahatondraka ireo tanimbary sy tanimboly manodidina intsony. Velon-taraina ireo mpamboly ao Mahasoabe Fianarantsoa.

Ambany loatra ny reniranon'i Matsiatra ka tsy miparitaka intsony amin'ireo lalan-drano natao hanondrahana ireo tanimbary sy tanimboly manodidina. Zara raha misy ny orana tamin'ity fotoam-pahavaratra ity. Maina avokoa na ireo voly na ireo vilona. Ahiana araka izany ny fihenan'ny vokatra, indrindra ny voka-bary.

Olan'ny famatsiana rano

Na manana lava-drano aza ireo mpamboly, tsy mahatondraka tanimbary izany. Tsy azo heverina intsony ny hanenjehana ny fatran'ny voka-bary mahazatra. Ny voly ankoatra ny vary no mbola azo avotana satria azo tondrahina matetitika eny. Sahirana nefa ireo mponina satria sady andrahoana sakafo sy idiovana ny rano kely ananana no hampisotroina ny biby fiompy. Tsy misy azon'izy ireo atao afa-tsy ny miandry izay hilatsahan'ny orana. Hatreto nefa, mbola hijanona ho maina ny afovoan-tany (Antananarivo sy Fianarantsoa) amin'ity herinandro ity, raha ny vinan'ny Sampana Mpamantatra ny toetry ny andro (Météo). Mety hisy fanantenana ihany nefa ny hilatsahan'ny orana noho ny androratsy izay mitady hanakaiky an'i Madagasikara.

Fiakaran'ny vidin'ny vokatra

Tsy ifanomezan-tsiny intsony ny fiakaran'ny vidin'ny vary vokarina eto an-toerana sy ny legioma isan-karazany. Tsy ampy mantsy ny rano ka mihena ny vokatra azo sady mila fotoana kokoa. Raha tsiahivina, manodidina ny 3 800 ariary ny kilaon'ny vary vokarina eto an-toerana, ary ahiana mbola hiakatra hatrany izany. Tafiditra ao anatin'ny vina manandanja araka izany ny fikarohana vahaolana maharitra ny amin'ny famatsian-drano sy fahazoana orana, mba hampiroboroboana ny fambolena.
Ny fatra sy ny kalitaon'ny vokatra Letchis tamin'ity taona ity izao no porofo tsy azo lavina ny amin'ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetry ny andro, indrindra ny tsy fisian'ny orana.

Lire la suite

Articles Similaires