Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 30 desambra 2024 hatramin'ny 5 janoary 2025
Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny atsinainy 30 desambra 2024 hatramin'ny alahady 5 janoary 2025
HJRA # Nitombo ireo marary nozahana tamin'ny fetin'ny faran'ny taona
Miisa 229 ireo olona tsy miantsy natao fizahana teny amin'ny sampana vonjy aina tao amin'ny CHU HJRA Ampefiloha ny 31 desambra 2024 sy ny 1 janoary 2025. 22 no tsy maintsy notazonina tao amin'ny hopitaly. Lehilahy miisa 5 no narary mafy vokatry ny fibobohana zava-pisotro misy alikaola. Lehilahy 3 sy vehivavy 1 kosa no nikasa hamono tena, ary vehivavy iray sy lehilahy iray no tratran'ny fanampoizinana ara-tsakafo. ''Azo lazaina fa nihoatra ny fizahana tamin'ity fetin'ny faran'ny taona sy ny fetin'ny taom-baovao ity raha oharina tamin'ny taon-dasa'', hoy ny tompon'andraikitra.
Fetin'ny faran'ny taona # Tsy voahaja ny fahanginana ara-politika
Somary nafana ny toe-draharaham-pirenena na dia nandritra ny fetin'ny krismasy sy ny faran'ny taona aza. Nifanojo tamin'ny fanambarana ny voka-pifidianana vonjimaika kaominaly mantsy izany ka niteraka resabe tetsy sy teroa. Ny vokatra teto Antananarivo no tena nahenoana fanehoan-kevitra maro, indrindra taorian'ilay "vokatra nifamadika" tao amin'ny tranokalan'ny CENI. Nahitana olana mihitsy aza moa ny hafatra krismasy sy taombaovao navoakana mpitarika fiangonan-dehibe iray. Ny zoma 3 janoary lasa teo, efa nisy ny fivoriana nokarakarain'ny mpanohitra, hikarakarana fihaonambe atsy ho atsy. Miankina amin'izay vokapifidianana ofisialy ny mety ho tohin'ny raharaham-pirenena.
Ivato # Volamena 67,5 kg no tra-tehaky ny Fadintseranana
Efa miasa avokoa ireo fitaovana avolenta eo anivon'ny Fadintseranana, mba hanakanana ny fivoahan'ny harem-pirenena an-tsokosoko. Volamena milanja 67,5 kg no tra-tehaky ny Fadintseranana tao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato nandritra ny volana desambra 2024. 13,8 kg no tratra ny 11 desambra ary 53,7 kg ny 23 desambra farany teo. Araka ny voalazan'ny "Code minier" (andalana 396), napetraka eny anivon’ny Banky Foiben'i Madagasikara akaiky indrindra ny volamena tratra mandra-piandry ny fanapaha-kevitry ny Fitsarana.
Tsy ny seranampiaramandina iraisampirenena ihany no ampiharana fepetra hentitra fa eny anivon'ireo seranantsambo ihany koa.
Fianarantsoa # Nisy firehetana tao amin'ny trano fonenan'ny mpianatry ny Oniversite
Ny alin'ny 4 janoary teo no nirehitra ny trano fonenan’ny mpianatra (campus universitaire Andrainjato) ao amin’ny “prefa N”. Niezaka nifehy izany ny mpianatra izay naneho ny firaisankina‚ tonga ihany koa ny mpamonjy voina fa potika sy ny efitrano 60 fonenan’ny mpianatra raha ny fanazavana. Mpianatra maro araka izany no traboina‚ tsy manan-kialofana sy rava fananana tao anaty indray mipi maso.
Manomboka androany 06 Janoary 2025 nefa ny fidiran’ny mpianatra. Mijery akaiky ary manao izay tandrify azy ny manampahefana ifotony mba hanavotana ny mpianatra tsy manan-kialofana sady sahirana lavitra ray aman-dreny sy ny fianakaviana.
Amboasary Atsimo # Nahazo fanampiana ireo mponina tao Tranomaro
Tokatrano 3225 ao anatin'ny fokontany 50 ao amin'ny Kominina Tranomaro no misitraka fanampiana avy amin'ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Fikambanana Croix rouge Malagasy notolorona fanampiana mandritra ny 3 volana (Desambra 2024, Janoary sy Febroary 2025) noho ny haintany misy ka hanamaivanana ny fahasahiranana.
Izany dia ho fanatanterahana ny vinan'ny fitondram-panjakana araka ny andry fototra voalohany mitodika amin'ny fanomezan-danja ny mahaolona, ka hahafahan'izireo miatrika ny fiainana andavanandro iadiana amin'ny tsy fandriampahalemana sy ny haintany any an-toerana.
Taolagnaro # Fandraisana sambo mpitondra mpizahatany tao amin'ny Seranantsambon'i Ehoala
Nahomby ny fandraisana ireo sambo mitondra mpizahatany tao amin'ny seranantsambon'i Ehoala, ho an'ny vanim-potoana 2024-2025. Raha tsiahivina, ny volana Desambra lasa teo no nosokafana ny fotoam-pandraisana, nefa dia efa miisa efatra sahady ireo sambo niantsona teo amin'ny Seranantsambo. Ny sambo lehibe Crystal Symphony izay mirefy 238 metatra no namarana ny taona 2024, izay nitondra mpandeha 235 sy tantsambo 415 ny 30 desambra. Santatra am-bavarano ihany ireo fa mbola maro no andrasana satria miisa 10 ny sambo mpitondra mpizahantany hiantsona ao amin'ny seranantsambon'i Ehoala. Amin'ny 16 janoary ho avy izao ohatra no ho avy ny sambo PS Silver Spirit. Mitondra tombontsoa ho an'ny toekarena sy ny fizahantany ao amin'ny faritra Anôsy, ary hahafahana manasongadina ny hatsaran'ny firenena ny fandalovan'ireo sambo ireo.
Fanamboaran-dalana # Ho vitaina tanteraka ny RN10 sy ny RN13
Noresahan'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, nandritra ny lahateny fanaony isaky ny faran'ny taona, ny mikasika ireo tetikasa fanamboaran-dalana lehibe ho tanterahana amin'ity taona 2025 ity. Anisan’izany ny fandraisana ny lalam-pirenena "RN13" sy ny fanamboarana ny "RN10".
Efa mahatratra hatramin’ny 65% ny asa vita amin’ny RN13, izay hanamafy ny fifandraisana eo amin’ny tanànan’i Taolagnaro sy Ambovombe. Kasaina ho vita tanteraka amin'ny volana septambra 2025 ny asa ary ho tokanana amin'ny fomba ofisialy aorian'izany. Ho an'ny RN10 kosa, izay mampifandray an'Andranovory sy Ambovombe, ka mandalo amin’ireo tanàna lehibe toa an’i Betioky, Ejeda, Ampanihy, Beloha ary Tsihombe, dia hisy fanatsarana lehibe amin'ny alalan’ny fandrakofana tara.
Jono # Manohana an'i Madagasikara hatrany ny vondrona eoropeana
Miditra amin'n andiany faharoa ny fampiasam-bola avy amin'ny fanohanana ny sehatra (Appui sectoriel) araka ny fifanarahana ara-jono (Accord de pêche) hiarahana amin'ny Vondrona Eoropeanina. Mitentina 1 100 000€ ny vola ampiasaina ka sehatra miisa dimy no tena hiompanan'ny fandaniana amin'ity taona ity izay mifanaraka amin'ny politikam-panjakana sy ny Ministera : Jono (Pêche), Fampiroboroboana anaty rano (Aquaculture), Fahadiovana (Sanitaire), Fanaraha-maso ny jono (Surveillance des pêches), Fitantanana (Gouvernance).
Amin'ny ankapobeny tsy ampy lavitra io vola io ary mbola maro ny ezaka tratrarin'ny Ministera. Na izany aza dia ezahana ampifandanjana ny fandaniana mba hipaka tsara any amin'ny vahoaka.