• Cours de change
  • 5159.2 AR
  • |
  • $4417.58 AR
Copyright Image : © La Dépêche
Image
Vaovao

Chine : 5 taona aty aorian'ny COVID, mampiahiahy ny valan'aretina HMPV

05/01/2025 17:13 © Moov

Mampiahiahy ao Chine, toerana nahitana ny COVID voalohany, ny Human Métapneumovirus na HMPV.

Kohaka, sery, fahasemporana, fanaintainanan'ny taolana : anisan'ny fambaran'ny HMPV avokoa ireo. Mahakasika manokana ny taovam-pisefoana io valan'aretina io, ka manempotra ary mitarika any amin'ny fahafatesana. Ny zaza, ny ankizy sy ireo marefo ara-pahasalamana no tena andairan'ilay valan'aretina. Singanina manokana ireo efa voan'ny "Bronchiolite" na "Pneumonie", ireo "asthmatique" ary ireo mpifoka sigara.

Endriky ny COVID vaovao

Ny 31 desambra 2024, nangataka tamin'i Chine ny OMS mba hamahatsiahy ireo toro mikasika ny nandohan'ny COVID. Azo heverina fa ahiana ho Covid amin'ny endriny vaovao mantsy ilay HMPV. Efa nanomboka tamin'ny fiandohan'ity taona ity no nisy soritr'aretina mampiahiahy, izay miantraika amin'ny taovam-pisefoana. Tsy mbola nisy nefa ny fanambarana ofisialy mikasika ny isan'ireo olona voan'ny HMPV na ny namoy ny ainy. Nisy kosa ny fampahafantarana nataon'ny OMS miasa any Chine fa misy "pneumonie virale" any amin'ilay faritra antsoina hoe Wuhan. Nanaitra olona mpampiasa aterineto aman-tapitrisany ny horonantsary niparitaka tamin'ny tambazotra X, izay naneho ny fahamaroan'ireo olona mibosesika amina hopitaly iray.
Mifindra amin'ny alalan'ny tsiranoka avoakan'ny oron'ny marary ny HMPV. Tsy maintsy manao arovava-orona izany ny marary sy ny mpikarakara. Amporisihina ihany koa ny fanasana tanana matetika sy ny fanadiovana ny zavatra ampiasaina sy toerana onenana. Mbola eo an-dalam-pikarohana ny fanafody mety hanasitranana ny HMPV ireo manam-pahaizana. Etsy ankilany, misy ihany koa ny fikarohana vaksiny ho fiarovana ireo mbola tsy voa, mba tsy hiparitahan'ny aretina.

Loza manambana izao tontolo izao

5 taona lasa izay no niandohan'ny COVID,tao Wuhan, Chine. Herinandro vitsy izany dia nahenika izao tontolo izao. Raha tsiahivina, naharitra 2 taona teo ho eo ilay valan'aretina, ka maherin'ny 6 tapitrisa ireo olona namoy ny ainy manerantany. Raha ny antontan'isa natolotry ny OMS ny volana may 2023, miisa 6,9 tapitrisa no matin'ny COVID. Ho an'i Madagasikara, nihoatra ny 1 400 ireo namoy ny ainy.
Loza manambana izao tontolo izao ny areti-mifindra tsy ahitam-panafana. Samy manara-baovao mikasika ny HMPV avokoa na ireo manam-pahefana , na ireo mpiasan'ny fahasalamana na ireo olon-tsotra manerana izao tontolo izao. Hampitotongana ny ekonomia indray mantsy ny mety hiparitahan'izany valan'aretina izany noho ny tsy maintsy hamerana ny asa andavan'andro sy ny fivezivezena. Hatreto aloha, tsy mbola ao anatin'ny hamehana ara-pahasalamana i Chine. Azo lazaina izany fa mbola tsy misy hatahorana firy aloha ny toe-draharaha ara-pahasalamana.

Fiomanana

Amporisihina ny rehetra mba hikarakara ny fahasalamany hatrany, mba hanana hery fiarovana matanjaka. Ilain'ny vatana ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana toy ny voankazo sy legioma. Tsara raha ajanona ireo sakafo misy singa simika mamotika ny vatana, indrindra ireo sakafo amin'ny boaty azo tehirizina ela. Koa satria aretin'ny taovam-pisefoana no resahina eto, mbola azo atao ny miala amin'ny sigara. Ampahatsiahivina ihany koa fa mety hanano sarotra ny fiatrehana ny aretina raha mihoatra ny tokony ho izy ny lanja.

Lire la suite

Articles Similaires