Pr Jonah Ratsimbazafy : « Efa latsaky ny 10% ny ala sisa tavela eto Madagasikara amin’izao »
« Raha mandalo iny lalam-pirenena fahafito (RN7) sy lalam-pirenena faha roa ambiny folo (RN12) iny dia ala may na tanety vao may no hitanao eny », hoy ity mpampianatra sady mpiaro ny tontolo iainana ity. Simba ny tontolo iainana ary efa latsaky ny 10% sisa ny ala eto Madagasikara, raha ny fikarohana nataon’izy ireo.
Velaran-tany hatramin’ny 100 000 hektara no may
Mbola tafiditra tao anatin’io fikarohana notanterahin’ity Profesora ity hatrany ny tahan’ny velaran-tany may isaky ny misy izay tranga izay. Mahatratra 5 hatramin’ny 100 000 hektara izany eto Madagasikara. « Firenena fahaefatra mpandoro tanety be indrindra isika raha toa ka i Brésil no voalohany ary ny Repoblika Demokratika an’i Congo ny faharoa. Tafiditra ao anatin’io ny faritra arovana », hoy hatrany ity mpikaroka ity. Ho an’ny Madagasikara dia matetika no fanahy iniana ihany koa izy ireny, hanehoan’ny mponina ny alahelony sy ny fahatezerany. Olana iray mila vahaina ihany koa, araka izany ny lafiny sosialy mba tsy hamerana io fanimbana fananana iombonana io intsony.
Ho foana afaka 25 taona
Ripaka ny ala, efa taona maromaro no niantombohan’izany olana goavana izany. Isan’ny tena mampihazakazaka izany faharipahan’ny ala izany ny filàna ara-kazo amin’ny fahandroana sakafo. Izany hoe, ny fanodinana azy ireny ho kitay na arina fandrehitra. Nanambara hatrany ity Profesora ity fa raha tsy misy ny politika sy ny lamina matipaika hanafoanana izany fandripahana ala izany dia ho foana tanteraka ny ala afaka 25 taona any ho any. « Fara-fahatarany izany 25 taona izany. Ny tokony hatao izao dia hampifanarahana ny fambolena hazo sy ny fandripahana satria io tena isan’ny mahatonga ny fahafoanan’ny ala », hoy hatrany izy. Tsara ny manamarika fa tsy ny sosialy sy ny fahasalamana irery ihany no mitondra faisana amin’izany olana izany fa eo ihany koa ny lafiny fizahan-tany. Isan’ny antony hahatongavan’ny mpizahatany aty Madagasikara mantsy ny fitetezana ala sy ny karazan-javamanan’aina ao aminy ka rehefa tsy misy intsony ireo dia mihena manaraka izany ihany koa ny mpizahatany.