• Cours de change
  • 5159.2 AR
  • |
  • $4417.58 AR
Copyright Image : © L'Avenir.Net
Image
Vaovao

Taona 2025 : Miisa fito ireo andro tsy hiasana kanefa handraisana karama

02/01/2025 13:58 © Moov

Miisa folo toy ny mahazatra ireo andro tsy fiasana amin’ity taona ity. Miisa fito amin’izy ireo irery ihany anefa no ao anatin’ny andro tsy hiasana kanefa handraisan-karama.

Fito andro ao anatin’ny taona

Hahazo andro miisa fito tsy hiasana ny mpiasa malagasy rehetra amin’ity taona ity raha ny alimanaka no jerena. Voalohany indrindra amin’izany ny fetin’ny taom-baovao, izay efa nankalazaina omaly. Andro tsy fiasana ihany koa ny 1 mey izay fetin’ny asa ary andro alakamisy izy amin’ity taona ity. Mbola andro alakamisy ihany koa ny andro niakarana (29 mey), andro ankalazain’ireo mpino krisitianina izy io ; sy ny fetin’ny fahaleovan-tena (26 jona). Etsy ankilany dia mbola hanampy izany ihany koa ny fankalazan’ny kristianina ny andro niakaran’i Masina Maria, ny 15 aogositra, andro zoma. Eo ihany koa anefa ny fankalazan’ny mpino silamo ny Eid El Fitr, ny alatsinainy 31 martsa. Hamarana ny andro tsy fiasana amin’ity taona ity kosa ny fetin’ny Noely 2025, izay andro alakamisy ihany koa.

Tafiditra faran’ny herinandro ny andro telo

Tsara ny manamarika fa ireo mpampiasa rehetra eto amin’ny tany sy ny firenena malagasy dia manaraka ireo voalzan’ny alimanaka ireo avokoa ho an’ireo mpiasany. Ankoatra ireo fito andro ireo anefa dia tafiditra ao anatin’ny faran’ny herinandro avokoa ny ambiny. Voalohany amin’izany ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy isaky ny 8 martsa sy ny fahatsiarovana ireo namoy ny ainy tamin’ny tolom-panafahana ny 29 martsa ary ny fetin’ny olomasina ny 1 novambra, izay samy andro sabotsy avokoa. Hanampy ireo ny alatsinain’ny paka sy ny pantekoty, izay andro natao tsy hiasana fotsiny ihany. Fanampian’izany dia mety any amin’ny volana jona any ho any ihany koa ny Aïd Al Adha izay fety hankalazain’ireo mpino silamo.

Lire la suite

Articles Similaires