Taombaovao 2025 : Maro ireo tsy nahatsidika ray aman-dreny noho ny fahasahiranana
Fotoana famangiana havana ny taombaovao, indrindra moa fa ireo ray aman-dreny sy ireo zokiolona ao amin'ny fianakaviana. Tafiditra ao anatin'ny soatoavina Malagasy izany. Tsy vitsy nefa ireo tsy afaka nanatanteraka adidy noho ny fahasahiranana.
Samy manana ny fari-piainany ny fianakaviana tsirairay. Misy ireo mahavita mandany an-tapitrisany maro tamin'ny "Réveillon" sy ny andron'ny taombaovao, saingy misy kosa ireo tsy afa-manoatra noho ny tsy fahampian'ny eo am-pelatanana.
Andro toy ny andro rehetra ihany
"7 000 ariary no niatrehanay telo mianaka ny taombaovao", hoy ny renim-pianakaviana iray. Vola kely mitovitovy amin'ny isan'andro ihany no nentin'ny fianakaviana maro niatrika ny fety. Izay teo am-pelatanany ihany no nampiasain'izy ireo nividianana sakafo, na tsy dia matsiro firy aza izany. Ho an'ilay ankohonana nanaovana fanadihadihana, akoho atsasaky ny fahefany no natao laoka, ary nasiana lasary kely. Tsy nahavita nividy ranomboankazo na mofomamy izy ireo, na dia naniry ny hisitraka izany aza. "Kely loatra ny vola miditra. Ny hanina androany tadiavina rahampitso ka tsy azo novinavinaina mihitsy ny hoe hanangona. Ny kilalaon-jaza tamin'ny krismasy aza efa nanahirana", hoy hatrany ilay renim-pianakaviana.
Tsy mahavita adidy tsy fidiny
Nisy tokoa ireo fianakaviana tsy afaka nifamangy akory noho ny fahasahiranana. Tsy afaka manome tsiny intsony ireo ray aman-dreny rehefa tsy tonga mamangy ny ankizy satria iaraha-mahalala ny tsy fisiana. Vitan'ny fifandraisana an-tariby izany ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao. Ireo mipetraka lavitra ny ray aman-dreny no tena tsy afa-manoatra. Na ny saran-dalana aza mantsy dia efa mandany vola.
Azo lazaina fa misy fiantraikany amin'ny Soatoavina Malagasy ny fiakaran'ny vidim-piainana. Na te hitandro fihavanana aza dia tsy voatery hahavita adidy intsony. Amin'izao volana janoary izao, efa misy tafakatra hatramin'ny 4 000 ariary ny kilaon'ny vary eny an-tsena. Ahitana fiakarana ihany koa ny legioma noho ny orana efa nisesisesy tamin'iny herinandro lasa iny.