Kabarin’ny filoham-pirenena : Eny amin’ny « Lac Iarivo » no hankalazaina ny fetim-pirenena 2025
Toy ny fanao, isaky ny mifarana tahaka izao ny taona, dia nitafa tamin’ny vahoaka Malagasy ny filoha Andry Rajoelina, fotoana izay namintinany ny zava-bita nandritra ity taona 2024 efa madiva hivalona ity, no sady nampahafantarana sahady ireo izay hitranga amin’ny taona ho avy.
Fanamboaran-dalana
Ny momba ireo fotodrafitrasa voatsangana, tao anatin’ity taona voalohany amin’ny taom-piasana faharoany ity, no isan’ny nasongadin’ny filoha Andry Rajoelina voalohany. Tetikasa isan’ny imatimatesan’ny filohan’ny Repoblika ny « autoroute » mampitohy an’Antananarivo amin’i Toamasina, izay hisokatra amin’io taona 2025 ho avy io, araka ny nambarany, ny ampahany voalohany. Eo amin’izay lalana izay hatrany, dia notsiahiviny fa sady misy ny fanamboarana vaovao, no misy ihany koa ny fanarenana izay efa simba tahaka ny Boulevard Ratsimilaho ao Toamasina. Etsy an-daniny, araka ny fanazavany dia hanomboka amin’io taona 2025 io ny fanamboarana ny « Route du Soleil » miainga any Ambovombe, any amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara, ka hipaka hatrany avaratra, any Ambilobe. Ankoatra izay, efa hanomboka, hoy izy, ny fanarenana ny lalam-pirenena faha-4 sy faha-7 ary mitohy ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-2. Efa hanomboka ato ho ato ihany koa ny fametrahana tara amin’ny lalam-pirenena faha-10, miainga eo Andranovory Toliara, tonga hatrany Ambovombe.
Olan’ny jiro sy rano
Nisongadina nandritra ity taona 2024 ity ny hamafin’ny fahatapahan-jiro sy fahatapahan-drano mifandimby. Mbola namafisin’ny filoha, tao anatin’ity kabariny faran’ny taona ity, ny fisian’ireo fotodrafitrasa marobe, izay hatsangana, mifandraika amin’ny fanampiana tosika ny famokarana herinaratra sy rano eto Madagasikara. Efa nosantarina tamin’ny fametrahana ny vatofototry ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny reniranon'Ikopa, izay manana tanjaka 64MW, ao Ranomafana, Distrikan'Ankazobe, izany. Mbola hisy ihany koa ireo fotodrafitrasa maro, toy ny fametrahana ny tobim-pamokarana herinaratra manana tanjaka 105 MW eny Ambohimanambola izay tsy maintsy ho vita mialohan’ny fetim-pirenena 26 jona 2025, hoy i Andry Rajoelina. Eo ihany koa ny « parc solaire » manana tanjaka 100 MW ho an’Antananarivo sy ireo « parcs solaires » hapetraka any amin’ireo Distrika maro hafa… Eo amin’ny fotodrafitrasa hamahana ny olan’ny famatsian-drano, dia isan’ny notanisain’ny filoha ny fananganana ny toby mpamokatra rano 30.000m³ isanandro ao Ambohitrimanjaka sy ny toby mpamokatra rano ao Mandroseza ary ny fanajariana fantson-drano 64km manerana ny renivohitra, izay samy tafiditra ao anatin’ny tetikasa PAEP. Ao anatin'ny tetikasa Jirama Water 3 kosa ny fananganana ny toby lehibe mpamokatra rano 50.000m³ ao Amoronankona. Etsy an-daniny, mitohy ny fanamboarana ny fantson-drano lehibe (pipeline) ho fampisitrahana rano fisotro madio ny mponina any Atsimo.
Fetim-pirenena
Voaresaka tao anatin’ity kabarin’ny filoham-pirenena ity ihany koa ny fanavaozana ny rafitry ny fambolena eto Madagasikara, indrindra ny momba ny fambolem-bary sy ny fanodinana ireo vokatry ny tany. Tanjona lehibe amin’izany ny fahaleovany-tena ara-tsakafo. Raha 3 taonina isaky ny ha ny voka-bary ankehitrriny, dia azo ampiakarina hatramin’ny 10 taonina isaky ny ha izany, hoy ny filoha, rehefa hampiasaina ireo teknikam-pambolena efa nahomby tany amin’ny firenena hafa, ary ampifanarahana amin’ny toetr’andro eto Madgasikara.
Ankoatra izay dia natsidiky ny filohan’ny Repoblika sahady ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovan-tenan’i Madagasikara. Hiavaka ny fanamarihana izany, amin’ity taona ity, raha tsy hilaza afa-tsy ny toerana hanatanterahana ny lanonana. Ny « Lac Iarivo », izay fotodrafitrasa vao hatomboka ny fananganana azy, no handray izany, ary eny Ivato no hanorenana azy, raha tsiahivina. Tafiditra ao anatin’ny tsangambaton’ny faha-65 taonan’ny fahaleovantena io ihany koa ny fananganana ny « Raffinerie aurifère », izay hanodinana ny volamena ho lasa « lingot » sy « or monétaire », hahafahana manara-maso ny fivezivezen’ny volamena, sy mba hampidiram-bola ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana.
Toy ny fanao ihany koa moa, rehefa vanim-potoana toy izao, dia nanome famelan-tsazy ho an’ireo misazy an-tranomaizina ny filoham-pirenena, ka miisa 9 347 izy ireo no voakasik’izany, manerana ny Nosy.