• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Yas Madagascar
Image
Vaovao

Baolina kitra : Hitily ny solotenan’i Madagasikara amin’ny tompon-daka maneran-tanin’ny 5x5 ireo mpikarakara

23/12/2024 16:17 © Moov

Voalohany ho an’ny tantaran’ny baolina kitra eto Madagasikara. Anatin’ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompon-daka maneran-tany ny taranja baolina kitra lalaovin’olona 5 ireo mpikarakara izany, miaraka amin’ny Minifootball Five International Federation (MFIF). Isan’ny mpikarakara izany ny avy ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina sy ny Yas Madagasikara izay nikarakara valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tamin’ity anio ity.

Tompon-daka nasionaly

Mandalo dingana maromaro ny fanomanana ity lalao lehibe, kasaina ho karakaraina eto Madagasikara ity. Izany indrindra no nahatongavan’ny Filohan’ny MFIF teto Madagasikara. Dingana voalohany amin’izany ny fametrahana ny rafitra entina miasa amin’ity lalao lehibe sady voalohany eto ity. « Aorian’ny fametrahana ny rafitra matihanina izay handrindrana ny lalao any amin’ny volana janoary any dia heverina hatomboka amin’ny volana martsa ny lalao nasionaly », hoy i Tsimbina Andrianaivo, avy ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Marihina fa hatomboka eny anivon’ny fokontany izany lalao izany ka hiarahana miasa amin’ireo olona manana kianja « synthétique ». « Tanora manomboka amin’ny 15 taona no afaka mandray anjara. Mizara roa ny sokajy ary misy lehilahy sy vehivavy ao anatin’izany », hoy hatrany ny fanazavana.

Hanomanana ny solotena iraisam-pirenena

Isan’ny tanjona lehibe indrindra amin’ity fifaninanana nasionaly ity ny hahafahana mitily sahady izay hisolotena an’i Madagasikara amin’ny lalao iraisam-pirenena. Heverina hotanterahina eto Madagasikara amin’ny taona 2025 mantsy izany lalao izany. Voalohany ihany koa izy io eto Madagasikara. Mbola isan’ny antony nahatongavan’ireo avy ao amin’ny Federasiona ihany koa izany. Nitety kianja maromaro teto Antananarivo izy ireo, nijery raha afaka mandray izany lalao iraisam-pirenena izany. Isan’ny nojereny ny kianja « synthétique » etsy Andohalo, Elgeco Plus, Spentana, Akamasoa ary ny Temperature. « Azo lazaina ho manara-penitra ireo kianja eto Antananarivo ka azoko lazaina fa mety tsy hisy olana ny handraisana ny lalao eto », hoy ny Filohan’ny Federasiona, Karim Moghaddam. Hiaro ny voninahi-pirenena Malagasy araka izany, ireo solotena amin’ny 2025, manoloana firenena miisa 20 eo ho eo.

Lire la suite

Articles Similaires