Fivezivezena an-dranomasina : Miverina ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’i Kaomoro sy i Madagasikara
Tapaky ny filàn-kevitry ny minisitra notontosaina omaly 18 desambra 2024, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, fa hiverina hisokatra ny fitaterana entana an-dranomasina avy any Kaomoro manketo Madagasikara, saingy manaraka fepetra hentitra.
Fepetra hentitra
Araka ny fanapahan-kevitra N°059-CDM/MTM.24, momba ny fandrindrana ny fivezivezen'ny entana avy any Kaomoro, dia hiverina hisokatra indray ny fivezivezen'ny entana an-dranomasina, eo amin’i Kaomoro sy i Madagasikara, saingy tsy maintsy tanterahina ao anatin’ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana hentitra. Araka izany, mbola tsy mahazo midina ireo tantsambo fa ny entana ihany. Etsy an-daniny, ireo mpandeha avy any Kaomoro rehetra, na avy amin'ny zotra an’habakabaka na an-dranomasina, dia tsy maintsy mandalo ireo fepetra fitandremana rehetra, toy ny "chimio prophylactiques" ary tsy maintsy mandalo fihibohana mandritra ny 15 andro ihany koa.
Raha tsiahivina dia nandray fepetra fanakatonana vonjimaika ny sisin-tany, amin’ny fifamoivoizan’ny olombelona an-dranomasina, mampitohy an’i Kaomôro sy i Madagasikara, ny Fanjakana malagasy, noho ny fahatsapana fa tsy voafehy ny firongatry ny valanaretina kôlera tany an-toerana.
Fiarovana ny sisin-tany
Niteraka tsy fifankahazoan-kevitra teo amin’ny firenena roa tonta ny fandraisana io fepetra io, indrindra tamin’ny fotoana tsy nahazoan’ny sambo « Acadie » niantsona tao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga, tamin’ny volana ôktôbra lasa teo. Nanazava anefa ny ministeran’ny Raharaham-bahiny, tamin’izany, fa fomba entin’ny Fanjakana miaro ny olom-pireneny ilay fanapahan-kevitra noraisina.
Araka ny fampitam-baovao navoakan’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny, izao fepetra vaovao izao dia natao mba ho fitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka no sady entina mamerina ihany koa ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’i Kaomoro sy i Madagasikara. Araka izany, homena tari-dalana mazava ireo manam-pahefana momba ny fitaterana sy ny fiarovana ny sisin-tany, mba hahazoana antoka ny fampiharana ireo fepetra noraisina, araka ny fampitam-baovaon’ny filàn-kevitry ny minisitra.