Ady amin'ny fiparitahan'ny VIH/SIDA : Notolorana fimailo ireo mpampanofa vatana eny Tanjombato
Mitohy hatrany ireo hetsika fanentanana mikasika ny fiarovan-tena amin'ny VIH/SIDA, tontosain'ny ministeran'ny fahasalamana. Nidina ifotony teny Tanjombato ny solotena maromaro, nanantona ireo mpivarotena teny amoron'ny ranon'Ikopa.
Fizarana fimailo
Efa tsy azo afenina intsony fa maro ireo vehivavy mivarotena noho ny fahasarotan'ny fiainana. Mamelom-bady aman-janaka ny ankamaroan'izy ireo. Ho an'ireo mpampanofa tena eny amin'ny manodidina ny ranon'Ikopa, nanangana trano vita amin'ny lamba izy ireo mba handraisana ireo mpanjifa.
Efa ao anatin'ny fepetra apetrak'izy ireo ny fampiasan'ny mpanjifa kapôty, nefa mety misy ihany ireo alaim-panahy tsy hampiasa izany raha sendra tsy manana ilay mpanjifa. Mba isorohana ny areti-mifindra azo avy amin'ny firaisana ara-nofo, nizara fimailo maromaro ho an'ny mpampanofa vatana tsirairay ny ekipan'ny Ministeran'ny Fahasalamana, androany 18 desambra.
Fitiliana ny VIH/SIDA
Manana karatra maha-mpivarotena avokoa ireo mpampanofa vatana eny Tanjombato. Azo lazaina izany fa voaara-maso tsara ny fahasalaman'izy ireo. Na izany aza, nisy ny fanaovana fitiliana ny VIH/SIDA maimaimpoana teny an-toerana. Hita teo no ho eo moa ny valim-pitiliana.
Araka ny fanadihadihana teny an-toerana, manomboka amin'ny 2 000 ariary ny saram-panjifana vehivavy iray. Mety miakatra nefa izany arakaraka ny ora hanjifana. Rehefa tena misy ny mpanjifa dia maherin'ny 30 000 ariary ny vola azo ao anatin'ny andro iray. Saika mpiasa madinika moa no tena mpanjifa. Hatreto aloha, tsy mbola misy manana eritreritra hiala amin'ny asany ny ankamaroan'ireo mpampanofa vatana.