• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 9 hatramin'ny 15 desambra 2024

16/12/2024 00:18 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 9 hatramin'ny alahady 15 desambra 2024.

CENI # Mivoaka tsikelikely ny voka-pifidianana vonjimaika

Roa andro taorian'ny fifidianana kaominaly, izany hoe ny zoma 13 desambra tolakandro, no nanomboka nivoaka ny voka-pifidianana vonjimaika. Saika ny kandidà natolotry ny IRMAR avokoa no mitarika amin'ireo renivohi-paritany. Ho an'Antananarivo Renivohitra manokana, toy izao ny vokatra ny zoma lasa teo : Harilala Ramanantsoa 43,09%, Tojo Ravalomanana 36,21%, Tahiana Razafinjoelina 12,08%, Ogascar Fenosoa 5,55%, Joseph Martin Randriamampionona 1,6%, Ndriana Razanamasy 0,92%, Monja Roindefo 0,56%. Miroso tsikelikely moa ny fanamarinana ireo tatitry ny fanisam-bato isaky ny foibem-pifidianana. Andrasana amin'ity herinandro ity ny vokatra vonjimaika ofisialy.

CENI # Nahazo "camion fourgon" miisa 3

Nandray anjara tamin'ny fanohanana an'i Madagasikara tamin'ny fanomanana sy fiatrehana ny fifidianana Ben'ny Tanàna ny Governemenanta Indiana. Ny talata 10 desambra lasa teo, nisy lanonana ofisialy nanolotan'ny solotenan'ny Governemanta Indiana ireo fiarabe miisa 3 ho an'ny CENI. Nentina hanamorana sy hanampiana ny fitaterana entana samihafa izany. Mahazaka entana betsaka ireo fiara ireo ka tena nanampy ny CENI tamin'ny fanaparitahana faraparany ireo fitaovana nilaina. Nampiasaina ihany koa ireo fiara ireo tamin'ny fitaterana ireo biletà namarinina, mba hamoahana ny voka-pifidianana.

CUA # Fanadiovana ny tsena

Nanobmoka ny alakamisy 12 desambra lasa teo ny fanadiovana faobe ireo tsena eto Antananarivo Renivohitra, araka ny toromariky ny PDS Alexandre Georget. Ny teny Namontana no nanatanterahana izany voalohany. Nofafàna ny làlana, nalàna ireo fako, nosasàna notifirina rano mahery vaika nohon'ny fofona ratsy teny an-toerana ary ny fandrarahana fanafody ho fiarovana sy fisorohana ny valan'aretina no namaranana ny asa.
Efa nivoaka ny kalandrie hanaovana ny fanadiovana isan-kerinandro. Alatsinainy : Antaninarenina, Talata : Anosibe, Alarobia : Analakely, Alakamisy : Namontana, Zoma : Mahamasina, Sabotsy : Analakely.

Madagascar Airlines # Manampy fiaramanidina amin'izao fety izao

Mitsinjo ireo mpivezivezy manerana an'i Madagasikara ny kaompania Madagascar Airlines amin'izao ankatoky ny fetin'ny krismasy sy ny faran'ny taona izao. Noho izany indrindra, misy fiaramanidina fanampiny, ATR 72-500, nofaina tamin'ny ACMI. Mahazaka olona miisa 72 io fiaramanidina io, ary hiasa hatramin'ny 10 janoary. Mbola miasa ihany koa ny fiaramanidina nofaina hatramin'ny volana jona, dia ny Q400. Manome toky ny Madagascar Airlines fa hihatsara ny kalitaon'ny tolotra, sady hirary hatrany ny vidin'ny tapakila.

Tetikasa PROGRES # Fampandrosoana ny tanora sy ny mponina ambanivohitra

Notanterahina tamin’ny fomba ofisialy ny talata 10 Desambra tao amin’ny Carlton Anosy ny fanombohana ny tetikasa "Programme de Renforcement de l’Entrepreneuriat Durable et le Soutien à l’Insertion Économique des Jeunes Ruraux" (Progres). Ny tanjona lehibe dia ny fanohanana ny tanora sy ny fampivoarana ny faritra ambanivohitra. Natao hampiroboroboana ny famoronana asa sy ny fananganana sehatra fandraharahana maharitra izany ny tetikasa PROGRES, fandaharanasa eo ambany fiahian’ny MINAE, vatsian’ny FIDA vola, mitentina 120 tapitrisa dolara.Entina ihany koa hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina eny ambanivohitra. Haharitra valo (08) taona, hisehatra any amin’ny faritra miisa 12 eto Madagasikara. Kasaina hahazo tombontsoa amin’izany ireo tanora miisa 75.000 sy ny mponina ambanivohitra 650.000, ka ny 60% dia tanora ary ny 40% dia vehivavy. Ho fanampin’izany, vinavinaina koa ny hanatsarana ny vokatra eny ambanivohitra miisa 130.000.

Tetikasa Mionjo # Fanolorana fitaovana hanatrarana ny "Transformation Agricole"

Ny 12 desambra lasa teo, nanolotra fitaovana ho an’ny MINAE ny Tetikasa Mionjo ho fanamoràna ny fiaraha-miasan’ny mpiasan’ny Ministera foibe sy ny any amin’ny Faritra izay iasan’ny tetikasa.
Ireo fitaovana ireo dia hanampy betsaka amin’ny fanatanterahana ny asa izay atao eny ifotony, ary indrindra hampiroboroboana ny famokarana, izay ahitana Ordinateurs portables miisa 41 sy kojakoja mifanaraka amin’izany miisa 41, Imprimantes multifonctions A3 Couleur HP miisa 19, Tablettes Android 20 isa ary fiara tsy mataho-dalana miisa 3.
Manantanteraka ny vina izay napetraky ny fitondrampanjakana ny tetikasa MIONJO, indrindra eo amin'ny lafin'ny fambolena sy ny fiompiana, amin'ny fampiakarana ny voka-bary sy ny fampivoarana ny famokarana na ny "Transformation Agricole" eto Madagasikara.

Rivodoza # Tsy dia nahaovoka firy i Chido

Nandalo tany amin'ny faritra avaratry ny Nosy iny ny rivodoza mahery vaika Chido, ny faramparan'ny herinandro teo. Tsy nikasika ny tany mihitsy nefa izy fa nandalo lavidavitra, ny zoma lasa teo. Naharay fampitandremana loko mena ireo faritra maromaro tamin'ny tendrony avaratry ny Nosy, saingy tsy naharitra izany. Orambe sy rivotra mahery no nentin'i Chido, nefa tsy nahitana fiantraikany firy izany. Tsy niakatra be ny rano sady tsy nisy fotodrafitr'asa naharaisana fitarainana noho ny fahasimbana. Ireo mponina tao Mayotte, nosy rahavavin'i Madagasikara, no tena nampitondrain'i Chido faisana.
Amin'izao fiandohan'ny herinandro izao nefa, mbola tsy azo atao ny miandriaka ho an’ireo mpampiasa ranomasina amin’iny faritra Avatra sy Avaratra Andrefan’ny nosy iny noho ny fisian’ny alondrano.

Iavoloha # Natolotra ny kandidà ho Filohan’ny Komision'ny Vondrona Afrikanina

Ny 10 desambra lasa teo no natolotra tamin'ny fomba ofisialy teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha ny kandida hisolo tena an'i Madagasikara amin'ny fifidianana ho Filohan’ny Komision'ny Vondrona Afrikanina, Andriamatoa Richard Randriamandrato. Sambany no hisy teratany malagasy hirotsaka amin'ity andraikitra ity. Izany dia manaporofo ny fandraisan’andraikitr'i Madagasikara hitondra avo ny feon'ireo firenena nosy mitovy fanamby aminy eo anivon'izany Vondrona Afrikanina izany sy ny eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena iray manontolo.
Tsy iza i Richard Andriamanjato fa efa minisitry ny toekarena sy ny fitantanambola teo aloha. Efa minisitry ny raharaham-bahiny ihany koa ny tenany, ary efa nitazona andraikitra ambony maro.

Toamasina II # Fandrotsahana zanatrondro tao amin'ny Canal des Pangalanes

Tontosa ny 10 desambra lasa teo ny fandrotsahana zanatrondro tilapia miisa 2000 tao amin’ny Fokontany Vohidrotra, kaominina ambanivohitra Antetezambaro. Tafiditra indrindra ao anatin'ny fanatanterahana ny bokin'andraikitran'ny Mpiompy trondro anaty fefy mitsingevana izany. Marihana fa fotoana fiompiana zana-trondro mihitsy izao fotoam-pahavaratra izao. Antenaina izany fa hitombo be ny vokatra afaka fotoana fohy. Anisan'ny mampiavaka ny morontsiraka toa an'i Toamasina mantsy ny famokarana hazan-dranomasina.

Diana # Fivoriana momba ny fihidiana sy fisokafan'ny Jono horita

Tontosa tao amin'ny Baie d'Antalaha, Fokontany Ambavarano, Kaominina Ambanivohitra Mahavanona ny fivoriana mikasika ny fihidian'ny jono horita sy ny fisokafany ato anatin'ny corridor marin des 7 baies ny taona 2025.
Niarahana nanapaka, izay mbola arahina fitanana an-tsoratra ny ,fikatonana voalohany ho amin'ny voalohany volana Janoary 2025 ka hisokatra ny 28 Martsa 2025 amin'ny 08 ora maraina, ary ny faharoa dia ny voalohany volana Jolay 2025 ary hisokatra ny 9 Aogositra 2025 amin'ny 09 ora maraina. Marihina fa nisy ny fifanankalozan-kevitra talohan'ny nanapahana ireo daty ireo, ary nisy koa ny fijerena olana sy soson-kevitra entina hanatsarana ny fitantanana ny jono horita manomboka amin'ny mpanjono ka hatramin'ny mpanangom-bokatra sy mpanondrana.

Anjiakely Maevatanàna # Nandrotsahana zana-trondro tao amin'ny Ranovory

Ho fampitomboana ny vokatra kirakirain'ireo mpanarato sy mpanjono dia nisy ny fandrotsahana zanatrondro miisa 7000 tao amin'ny Ranovory Matsiabe-Anjahabe. Notarihan’ny teo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) Betsiboka ary notohanan’ny ONG Impact Madagascar izany, ny 9 desambra lasa teo.
Taorian’izay dia nisy ny fanavaozana ireo olona izay handrafitra ny birao vaovao ho an’ny fikambanan’ny mpanjono Lovasoa Mitambatra sy nanomezana azy ireo ny toromarika rehetra mba hampizotra tsara ny fotoam-piasan’izy ireo. Nofaranana tamin’ny alalan’ny fampiofanana fiompiana trondro moa ny fotoana ka olona miisa 50 eo no nisitraka izany.

OIF # Fanolorana fitaovana ho an'ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny

Notanterahina tao amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny, eny Anosy, ny lanonana fanolorana ireo fitaovana fandikan-teny avy amin’ny Organisation Internationale de la Francophonie, ny 10 desambra lasa teo. Notarihin’Andriamatoa George Nakseu Nguefang, Solontena mpisolo-toerana anivon’ny OIF izany. Ny fitaovana izay afaka ampiasain’olona miisa 30 dia natokana mba hanamorana ny fifanakalozana sy ny fandikan-teny mandritra ireo hetsika iraisam-pirenena. Naneho fankasitrahana manoloana izany Ramatoa Rasata Rafaravavitafika, Minisitry ny Raharaham-bahiny, ary nanamafy ny fandraisan’ny firenena anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra iraisam-pirenena eo amin’ny sehatra diplaomatika.

Fampiroboroboana ny varotra sy ny indostria# Fihaonamben'ny sehatra tsy miankina

Tontosa teny amin'ny Radisson Blu Hôtel Ambodivona, ny fihaonamben’ny sehatra tsy miankina nampisehoana amin'ireo manam-pahefana eto an-toerana sy ny mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena ny paikady fampandrosoana ny sehatra tsy miankina (SDSP).
Nasongadina ny fiaraha-miasa ara-toekarena eo amin'ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny Delegasion’ny Vondrona Eoropeana. Ny fahaiza-manao marolafy avy eto an-toerana sy iraisam-pirenena amin'ny fanampiana sy ny torohevitra dia natolotra ho an'ny sehatra tsy miankina tamin'ny alalan'ny fandaharan'asa CLIM-INVEST. Tanjona napetraka ny fampahalalana ny SDSP teo amin’ireo manam-pahefana sy mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena sy fanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny sehatra miankina.

Tsipikanetibe # Tafaverina eto Madagasikara ireo mpilalao

Laharana faharoa manerantany i Madagasikara amin'ny taranja Tsipikanetibe : medaly volafotsy no nentin'izy telolahy nody. Dingana lehibe ho an'i Madagasikara izany amin'izao fahazoana milalao indray eo anivon'ny sehatra iraisampirenena izao. Mbola nanome lanja ny fandresena ihany koa i Zigla, izay misalotra ny anaram-boninahitra tompondaka erantany tamin'ny "tir de précision". Hatreto aloha, mila fanohanana tanteraka ny taranja Pétanque, satria sahirana ireo mpilalao tamin'ny saran-dalana sy ny fivahiniana tany Dijon. Na izany aza, nisy ny fanampiana izay natolotry ny Yas Madagascar.
Nanome toky ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena fa hitady vahaolana ny amin'ny fanohanana ara-bola, ary miandry ny ekipa tsipikanetibe hanantona azy ireo amin'ity herinandro ity. Mbola vonona hanohana hatrany ny FSBM ihany koa ny orinasa Yas Madagascar.

Lire la suite

Articles Similaires