• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Diego - Jenny Randrianarisoa
Image
Vaovao

Rivo-doza Chido : « Mila arahina hatrany ny toromarika sy ny fepetra rehetra », hoy ny BNGRC

13/12/2024 16:22 © Moov

Tamin’ny 2 ora tolak’andro, tamin’ity 13 desambra 2024 ity dia tany amin’ny 107 Km any avaratr’i Antsiranana I no nisy ny foiben’ny Rivo-doza Chido. Manorana any Antsiranana amin’izao fotoana izao ary mandrivotra ihany koa. Manoloana izany indrindra dia miantso ny mponina hanaraka ny fepetra sy ny toromarika rehetra ny Talen’ny BNGRC, ny Jeneraly Elack Olivier Andriakaja.

« Tsy misy fiovana ny toromarika »

Na dia tsy tena hipaka betsaka amin’ny Madagasikara aza ity rivo-doza ity dia hatahorana hatrany ny resaka tondra-drano. Eo ihany koa ny rivotra izay entiny izay mety hisy fiantraikany indrindra any amin’ny tapany avaratra. Araka izany, nanamafy ny avy ao amin’ny BNGRC fa tsy misy fiovana ny fepetra raisina araka ny lokon’ny saina fampitandremana isaky ny toerana. Raha tamin’io ora io dia fampitandremana miloko mena ho an’ny eo anelanelan’ny tanjona Angotsy sy ny tanjona Bobaomby ary ny tanjona Bobaomby sy Mahajanga. Fampitandremana miloko mavo kosa, manomboka eo Mahajanga hatrany amin’ny tanjona Vilanandro. Ho an’ireto farany ireto ohatra dia tokony efa hiomana amin’ny fiatrehana ny loza ny mponina. Tsy miandriaka, fenoina ny vatoaratry ny fitaovana mila izany, manangona sakafo, manara-maso ny zaza sy ny ankizy ary mamonjy toerana efa voaomana raha tsy azo antoka ny toeram-ponenana. Ireo faritra nahazo fampitandremana miloko mena kosa dia tsy tokony hivoaka ny trano ary mipetraka amin’ny toerana azo antoka. Efa mihatra amin’ireo toerana ireo rahateo ny loza. Etsy andaniny dia efa misy sekoly maro nanapakevitra ny hanidy ny toeram-pianarana tamin’ity anio ity.

« Efa nalefa mialoha ny fitaovana »

« Efa roa andro izay no nalefa any amin’ny tapany avaratra iny ny fiara be mitondra ny sakafo mety ho ilaina sy ny fitaovana samihafa raha sendra misy ny loza », hoy hatrany ny fanazavan’ity Tale ity. Natao indrindra izany mba hiomanana mialoha raha misy ny traboina sy ireo loza tampoka. Etsy ankilany dia efa nalefa mialoha ihany koa ireo fitaovana sy ny olona mba hanamafy ny fandrindrana. Nandefasana izany ny any Antsiranana, Vohémar ary Ambilobe. Nisy « vedette » nalefa ihany koa tany Maroantsetra, Vohémar, Ambilobe ary Antsiranana, raha ny tatitra hatrany.
Amin’izao fotoana izao mitondra rivotra 175 Km/ora ity rivo-doza ity. Ny tafiotra kosa dia mahatratra 245 Km/ora ny manakaiky ny foibeny. Mikisaka miakandrefana somary atsimo andrefana amin’ny hafainganam-pandeha 22 Km/ora kosa i Chido.

Lire la suite

Articles Similaires