Antananarivo Renivohitra : Mitohy ny asa eo anivon’ny Kaominina mandra-piandry ny Ben’ny tanàna ofisialy
Roa volana no fe-potoam-piasan’ny Filohan’ny Delegasiona Manokan’ny tanànan’Antananarivo (PDS), Alexandre Georget, raha ny tokony ho izy. Nandray ny asany ny 20 novambra 2024 lasa teo moa izy. Manoloana izany dia manome toky izy fa mitohy ny asa rehetra fanatsarana ny tanàna mandra-piandry ny Ben’ny tanàna ofisialy.
Mbola maro ny asa miandry
Raha tsiahivina io andro nandraisany ny fotoam-piasany io dia nametraka ho laharam-pahamehana ny fanamboarana ny lalana, ny fiomanana amin'ny fiatrehana ny fahavaratra, ny fandriampahalemana, ny fijerena sy famporisihana ireo mpiasan'ny CUA ny tenany. Araka izany, mbola tena maro ireo asa miandry azy amin’izao fotoam-piasany izao. Mifanindra-dalana amin’izany ny fanatrarana ny asa nodimbiasany tamin’ny mpitantana teo aloha. Tafiditra indrindra ao anatin’izany ny asa fanadiovana ny tanàna amin’izao vanim-potoana mampitobaka ny fako izao. Eo ihany koa ny fanamboarana ny teboka mainty eny amin’ireny lalana eto andrenivohitra ireny.
Tsy mitsahatra ny asa
Hanasoa ny mponina no antom-pisian’ny mpiasan’ny Kaominina, hoy ny tenany. Izany no hilazany fa tsy mitsahatra ny asa na dia miandry ny Ben’ny tanàna aza sisa. “Ny asa eo anivon’ny tanàna dia mandroso. Toa izany ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny Fitondram-panjakana ho fampandrosoana ny tanàna. Mitohy ihany koa ny fanadiovana ny tanàna. Raha tsiahivina dia manadio tanàna amin’ny rano isika indro isaky ny herinandro ny Ambohijatovo hatreny amin’ny Garan’ny Soarano. Indray mandeha kosa eny Antaninarenina, Isotry, Anosibe ary Namontana », hoy hatrany ity PDS ity. Tafiditra anatin’ny asa izay mbola hotohizana ihany koa ny fanamboarana ireo lalana izay tena ahitana fahasimbana na ireo « points noirs » rehetra. Miara-miasa amin’ny CUA amin’izany ny oriansa COLAS sy ireo hafa. Nanamarika ity PDS ity fa “CUA aingam-pandeha” no teny entina manatanteraka ireo asa isan-karazany ireo.