Fambolena sy fiompiana : Nisitraka 120 tapitrisa dolara avy amin’ny FIDA i Madagasikara
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy androany 10 desambra ny fandaharan’asa PROGRES. Fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena ho an'ny fampandrosoana ny fambolena (FIDA) izany. Vola mitentina 120 tapitrisa dolara no ampiasaina amin'izany.
Hanala olona maherin’ny 650 000 amin’ny fahantrana
Isan’ny tanjona voalohany indrindra amin’ity fandaharan’asa ity ny hanala ny malagasy maro amin’ny fahantrana. Araka izany, olona miisa hatramin’ny 650 000 no vinavinaina hahazo tombony ao anatin’izany. Mitovy amin’ny hoe tokantrano miisa 130 000 izany raha ny fanazavana. Mifanindra-dalana amin’izany dia ny tanora sy ny vehivavy no tena hiara-hiasa amin’ny fandaharan’asa. Maherin'ny 60% amin'ireo mpahazo tombony dia tanora 18 ka hatramin'ny 30 taona, ary 40% amin’izany dia vehivavy. Tanora miisa hatramin’ny 75 000 ihany koa no vinavinaina hamoronana asa mifandray amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Asa miisa hatramin’ny 50 000 no ho foronina ho azy ireo, indrindra ireo tanora any ambany vohitra.
Ankoatra izany rehetra izany dia mbola isan’ny tombony ho sitrahin’ny Malagasy ihany koa ny fanarenana sy fanavaozana fotodrafitrasam-pambolena isan-karazany. « Tanjona efa napetraka hatrany ny hanampy ny tanora amin’ity famoronana asa ity. Mifandray amin’izany ny fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo amin’ny alalan’ireo tanora ireo raha ny amin’ity fandaharan’asa PROGRES ity », hoy ny Minisitra ny fambolena sy ny fiompiana.
Faritra miisa 12
Ao anatin’io 120 tapitrisa dolara io dia famatsiam-bola mivantana avy amin’ny FIDA ny 83.5 tapitrisa dolara. Hiasa manokana any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy iny ny fandaharan’asa raha ny fanazavana. Ao anatin’izany ny faritra Androy, Anosy, Atsimo Atsinanana, Atsimo Andrefana, Vatovavy, Fitovinany, Matsiatra Ambony, Bongolava, Melaky, Menabe, Ihorombe ary Amoron’ny Mania. Haharitra valo taona (2024 # 2032) ny fandaharan’asa izay heverina hampiakatra ny fari-piainan’ny malagasy maro amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fambolena.