Fiarovana ny zon’ny ankizy : Vakinankaratra, filamatra amin’ny fametrahana drafitrasa hoentina miaro ny zaza
Notanterahina ny herinandro lasa teo ny famelabelarana sy ny fankatoavana ny drafitr'asa ho fiarovana ny zon'ny ankizy ao Vakinankaratra. Nandritra izany no nanambarana fa ho fitaratra amin’ity ady hiarovana ny zaza ity io faritra io. Ratsa-mangaika isan-karazany no tonga nanatrika izany hahafahan’izy ireo manamafy hatrany ny fomba fiasany. Toy ireo fikambanana samihafa, ny zandary sy ny polisy sy ireo maro hafa.
Efa mandroso ny fiarovana ny ankizy ao Vakinankaratra
Nanamafy ny fahaizany momba ny fiarovana ny ankizy sy ny drafitrasa vaovao ho ampiharina ireto mpandray anjara ireto. Etsy andaniny anefa dia efa mandroso ny ezaka hataon’ny faritra Vakinankaratra mikasika ity ady ity. Isan'ireo Faritra dimy hiasan'ny projet QUAPEM2 (Projet de Qualité de l'accueil en protection de l'Enfance à Madagascar 2) ny Faritra Vakinankaratra, ankoatran’ny Analamanga, Atsinanana, Vatovavy Ary Fitovinany. Eto Antsirabe anefa dia efa mitsangana ary miasa ny tambazotra SAHAZA " Sehatra Anoherana ny Herisetra Atao amin'ny Zaza eto Antsirabe". Tanjon’izy ireo ny hiasan'ny rafitra mpiaro ny ankizy eny anivon'ny Distrika sy ny kaominina rehetra ato anatin'ny Faritra Vakinankaratra. Ao anatin’izany dia efa mandeha tsikelikely amin’izany tanjona izany ny asa. Izany no entina hanamarihana fa raisina ho filamatra ity faritra ity aoriana ao. Etsy andaniny dia tokony ampiana sy tohanana ny tetikasa tahaka n'y QUAPEM2 toy izao. Ny ankizy mantsy no hoavin'ny firenena atsy ho atsy ka raha tsara tefy sy voahaja ny zon'izy ireo dia ho tonga olo-mendrika izy ireo.
Drafitrasa vaovao ho an’ny 2025-2027
Isan’ny nampahafantarina nandritra ny atrikasa ny momba ity drafitrasa vaovao ity. Ny tanjona amin'izy io dia ho fanamafisana ny rafi-piarovana ny ankizy eto Vakinankaratra. Eo ihany koa ny ho fampivoarana ny fampiharana ny Lalàna velona momba ny fiarovana ny zon'ny ankizy. Ary indrindra ny fanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo ankizy iharan'ny herisetra sy ny sahirana ary ny atahorana hiharan'ny herisetra. Ho ampiasaina ho an’ny taona 2025 hatramin’ny 2027 araka izany izy io.