• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Anr
Image
Vaovao

Andry Rajoelina : Tsara kokoa raha mitovy hevitra sy fijery amin'ny Fitondrana ny Ben'ny Tanàna

09/12/2024 20:45 © Moov

Nivahiny tao amin'ny fahitalavi-pirenena TVM ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, tamin'ny tapany faharoan'ny Vaovao an-tsary, ny takariva teo. Teboka maromaro no noresahiny, na sosialy na politika.

Fifidianana Ben'ny Tanàna

Tapitra androany 9 desambra ny fampielezankevitra amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina. "Anisan'ny fifidianana tena manan-danja ity hoavy ity satria ny Ben'ny Tanàna dia tena akaiky ny vahoaka noho ny asany miantraika mivantana amin'ny fiainan'ny tsirairay", araka ny nambaran'ny filoham-pirenena. Nampahatsiahiviny araka izany fa iankinan'ny fiainam-pirenena ny voka-pifidianana.
Nisy ny fizarana traikefa nozarain'ny filoham-pirenena, noho izy efa nisahana ny andraikitry ny Ben'ny Tanàna teto Antananarivo Renivohitra tamin'ny taona 2027. Anisan'ny fanamby lehibe notanterahiny ny fanarenana ny Lapan'ny Tanàna. Telo volana monja no nanatanterahana ny "plan", ary nanomboka ny 17 may 2008 ny asa. Ny 11 desambra 2010 ny nahavitan'ny asa tanteraka ka nitokanana ny Lapan'ny Tanàna. "Rehefa manana fikasana ny olona iray ao anatin'ny fony dia tsy maintsy tanteraka izany", hoy hatrany i Andry Rajoelina. 14 taona aty aorian'ny nanokanana ny Lapan'ny Tanàna, hifidy ny Ben'ny Tanàna indray ny Malagasy.
Nanome toky ihany koa ny tenany fa hanolo-tanana ireo rehetra lany amin'ny fifidianana manerana ny Nosy. Na izany aza, nametraka hafatra ihany izy : "Tokony olona tia ny vahoaka, manana vina sy hanasoa ny rehetra no fidiana, fa tsy olona hanakorontana ara-politika. Malalaka ny safidy nefa mila jerena ihany ireo tena tia fandrosoana". Nohamafisin'ny filoham-pirenena fa mety hiteraka olana ny tsy fitovian-kevitry ny Ben'ny Tanàna sy ny Fitondram-panjakana. Raha misy tetik'asan'ny Fanjakana nefa tsipahin'ny ben'ny tanàna dia ho voasakana tokoa. Mahatara na mandrava ny asa fampandrosoana mantsy ny Ben'ny Tanàna izay manohitra ny fitondrana, na avy amin'ny antoko mpanohitra mihitsy na tsy miankina fa manana ny hevitra hijoroany manokana. Maromaro mantsy ireo asa nanahirana ny Fitondram-panjakana noho ny sakana apetrak'ireo olom-boafidy tsy mitovy firehana politika sy fomba fijery.

Fahantrana

Nisy ny tatitra izay nanambara fa maherin'ny 80%-n'ny mponina dia mahantra avokoa. Nanamarika nefa ny filoham-pirenena fa ny toro atolotry ny Banky iraisam-pirenena sy ny PNUD ihany no jerena. Etsy an-daniny, mila mitandrina ny rehetra amin'ireo antontan'isa tsy fanta-pihaviana etsy sy eroa. Etsy ankilany, tsy azo lavina fa maro tokoa ireo ao anaty fahasahiranana. "Ny fahantrana no miteraka fahantrana satria miteraka aloha loatra na maro loatra", hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.
Ny "taux de croissance" no mari-drefin'ny fandrosoan'ny firenena iray, araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena. Tsara araka izany ny manamarika fa 4% ny taux de croissance, izay nahazoan'i Madagasikara fiarahabana manokana. Afaka 2 taona dia tokony hahatratra 8% io taham-pitombona io, noho ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny famokarana angovo.

Hetsika Sosialy Krismasy

Noho ny fahitana ny fahasahiranan'ny vahoaka Malagasy no nanaovana ny hetsika Mifampitsinjo sy Tsinjo Noely. Izany moa dia mba hitsinjovana ireo malagasy sahirana nefa te hifety afaka andro maromaro. Tsy tafiditra ao anatin'ny fampielezankevitra izany. Efa saika nahazo avokoa ireo fianakaviana sahirana teto Antananarivo Renivohitra. Efa nahazo ny anjarany ihany koa ny tany Toamasina. Hitohy hatrany ny hetsika mandritra ny fankalazana ny Krismasy sy Taom-baovao.

Lire la suite

Articles Similaires