Fampandrosoana maharitra : Fanatsaràna ny rafi-pitantanana ny tsenam-baro-panjakana eto Madagasikara
Manomboka androany 9 desambra ka tsy hifarana raha tsy ny 20 desambra ny atrikasa mikasika ny fitantanana ny tsenam-baro-panjakana eto Madagasikara, eny amin'ny Novotel Ivandry.
Anisan'ny antoky ny fampandrosoana maharitra ny fanjakana tsara tantana sy mangarahara. Izany indrindra no ifantohan'ny Ministeran'ny Toekarena sy ny Fitantanambola, tohanan'ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Banky Afrikana ho an'ny Fampandrosoana, ny amin'ny fanatsarana ny rafi-pitantanana ny tsenam-baro-panjakana eto Madagasikara.
Nosokafan'ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanambola androany àry ny "Atelier de restitution de la Méthodologie d'évaluation des systèmes de passation des marchés" (MAPSII).
Ireto avy ireo tanjon'izany atrik'asa izany :
-Fanolorana ny vokatry ny fanombanana voalohany momba ny MAPS II;
-Fifanakalozan-kevitra sy fifanazavana ireo teboka lehibe hita nandritra ny fanombanana;
-Fanamarinana ireo laharam-pahamehana entina hanatsarana ny rafi-pitantanana ny tsenam-baro-panjakana eto Madagasikara.
Entina hampirindra ny fitantanana ireo harena ampahibemaso eto amin'ny firenena moa izany. Tokony hahazo anjara amin'ny tsena-baro-panjakana avokoa ireo orinasa sy olon-tsotra mahafeno fepetra. Tsy adino ihany koa ny fametrahana fepetra mazava amin'ny fisafidianana ireo mpanome tolotra, arakaraka ny tetikasa sy ny tetibola.

Tsara ny manamarika fa efa nisy ny fivoriana niarahana tamin'ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Banky Afrikana ho an'ny Fampandrosoana ny alarobia 20 novambra lasa teo. Tanjona tamin'izany ny fampitan-kafatra sy fangalana ny hevitr'ireo mpisehatra eo anivon'ny tsy miankina.