Ady amin’ny kolikoly : Hampandraisana andraikitra ny tanora
Ankalazaina isaky ny 9 desambra tahaka izao ny andro maneran-tany hiadiana amin’ny kolikoly. Entina hifanentanana amin’izany ny lohahevitra hoa « Miombona amin’ny tanora, hanohitra ny kolikoly: manangana ampitso hanjakan’ny fahitsiana”. Ao anatin’izany dia miara-misalahy ireo sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly rehetra eto Madagasikara. Ao anatin’izany ny BIANCO, CSI, ny PAC sy ireo maro hafa.
Madagasikara : efa manana paikady hampandraisana anjara ny tanora
Miara-mientana mitady ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly ny firenena rehetra maneran-tany amin’izao fotoana izao. Isan’ny zava-dehibe ao anatin’izany ny tanora ka antony iray nandraisana ity lohahevitra ity. Raha ho an’ny Madagasikara manokana dia efa maromaro ireo ezaka hampandraisana anjara ny tanora ao anatin’ity ady ity. « Ho antsika eto Madagasikara amin’izao dia efa tafapetraka ny tambazotran’ny tanora mandala ny fahamarinana sy ny fahitsiana. Fikambanana maherin’ny 150 no mikambana ao anatin’izany ary ahitana tanora hatramin’ny 5 000. Efa fototra azo hiaingana izany amin’ny fampandraisana anjara ny tanora », hoy i Razakamanantsoa Gaby Nestor, Talen’ny BIANCO. Ankoatra izany dia efa manana paikady samihafa ihany koa ny Nosy ary mandray anjara vaventy amin’izany ireo ao amin’ny lafiny fanabeazana. Araka ny fantatra mantsy dia efa hampidirina ho taranja hibeazana eny anivon’ny sekoly amin’izao fotoana izao ny ady amin’ny kolikoly.
Maro ny ezaka ilaina fanatanterahana
Etsy ankilan’io fisiana paikady isan-karazany eo amin’ny tontolon’ny tanora io dia efa manana paikady ihany koa i Madagasikara amin’ny sehatra rehetra saingy mbola lavitry ny fanatanterahana izany. Isan’ny ezaka lehibe noraisina ny fametrahana ny ady amin’ny kolikoly ho zava-dehibe ao anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana. Mifanindra-dalana amin’izany ny fanavaozana ny paikadim-pirenena ho an’ny 2025-2030. Efa andalam-pahavitana izany ary io no hamaritra ny asa miandry mandritra izay fotoana izay. Amin’izao ankatoky ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina izao ihany koa dia milaza ny BIANCO fa efa vonona izy ireo handray ny andraikiny. Manentana ny rehetra ihany koa hitoroka raha mahita tranga samihafa.