• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meteo
Image
Vaovao

Toetry ny andro : Ho lasa rivodoza CHIDO ilay andro ratsy ao anatin'ny 24 ora

09/12/2024 14:51 © Moov

Efa miomankomana ny faritra Avaratr'i Madagasikara ny amin'ny orambe sy ny rivotra mahery amin'ity herinandro ity.

Efa hatry ny omaly no natsidiky ny foibe famantarana ny toetry ny andro fa misy andro ratsy miforona ao amin’ny ranomasimbe Indiana. Androany 9 desambra, tamin'ny 9 ora marain teo ho eo, tany amin’ny 1652 Km atsinanan’i Antsiranana I no nisy ny foiben'ilay andro ratsy.

Ho lasa rivodoza tsy ho ela

"Perturbation Tropicale" ny tanjaka misy ilay andro ratsy hatreto. Manodidina ny 45 Km/ora ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra 60 Km/ora ao anaty oram-baratra. Nikisaka haingana niakandrefana izy ka nahafaka 25 Km/ora tao anatin’ny 12 ora farany.
Ato anatin’ny andro vitsivitsy manaraka dia ho tomombana kokoa ny tontolo hivoarany, ka tombanana hitombo hery ary ho lasa rivodoza izy ato anatin’ny 24 Ora manaraka, ary hitondra ny anarana hoe "CHIDO".

Mety ho voakasika ny faritra avaratra

Araka ny vina lavitra dia ahiana hanambana mivantana ny tapany avaratry ny Nosy ity andro ratsy amin’ny faran’ny herinandro. Mety hisy fiantraikany amin'ny faritra hafa koa ilay rivodoza raha mitombo ny tanjany sady miha-manakaiky an'i Madagasikara. Na izany aza, tsy mbola misy ny filazana loza mikasika ity andro ratsy ity. Entanina manokana ny mponina amin’ny faritra Diana, Sava ary Ambatosoa mba hanaraka akaiky ny ho fivoaran’ity tranga ity.

Lire la suite

Articles Similaires