Orinasa sy mpanakanto : Tonga nandrafitra ny fianakaviamben’ny orinasa Yas Madagasikara ny Team Rwikordz
Mitombo indray ny ho mpikambana ao amin’ny fianakaviamben’ny orinasa Yas Madagasikara. Noraisin’ity orinasa ity tamin’ny fomba ofisialy, androany 9 desambra 2024 ny Trano mpamokatra Davald Rwikordz. Ity farany ity izay hikambanana mpanakanto maro ary ho lasa ambasadaoron’ny orinasa izy ireo.
Fiovana eo amin’ny fiaraha-miasa
Rehefa niova anarana ho Yas ny Telma Madagasikara dia isan’ny hitondra fanovana ihany koa eo amin’ny lafiny fiaraha-miasa amin’ny mpanakanto samihafa. « Hifantoka amin’ny hetahetan’ny mpanjifa izahay manomboka izao. Eo ihany koa ny fanomezana toerana bebe kokoa ny tanora izay hampivelatra azy ireo ary hanome sehatra lehibe hivelerany ihany koa », hoy i Henintsoa Randrianjatovonarivo, Tomponandraikitra ny serasera ao amin’ny Yas Madagasikara. Izany rehetra dia isan’ny antony hiarahany miasa amin’ity trano mpamokatra ity. Marihina fa ahitana mpanakanto isan-karazany, amin’ny salan-taona rehetra ary mitondra ny gadona maro ao anatiny. Isan’ny hanampy isa ny ambasadaoron’ny orinasa araka izany izy ireo. Ahitana an’i Mopcaan, mitondra ny gadona « afro beat », Parish mivoy ny « afro zouk sy ny afro pop ». Eo ihany koa i Jacquis Randria manao ny gadona « variété, soul ary acoustique ». Eo ihany koa ny ahitana ireo mpivoy ny « pop », « rnb » sy ny « afro pop » toa an’i Tanjona Randrianarivelo sy i Jeddy VM. Mbola ao anatin’izany ihany koa ireo mpivoy ny gadona malagasy toy ny salegy, ahitana an’i Mameno sy ny Antsa Sakalava misy an’i Maman’i Tsôlôlô. Tsy ambakan’izany ireo gadona vao misandratra samihafa, toy ny « amapiano, ragga dance hall ary ny freestyle » ; ireto farany ireto izay ahitana an’i Jam Jued, Pharaon, ary i Jhaless sy ireo maro hafa.
Mpanakanto avy amin’ny lafy valon’ny Nosy
Isan’ny goavana ihany koa ity fiaraha-miasa ity satria mpanakanto maro avy amin’ny lafy valon’ny nosy no mandrafitra ity trano mpamokatra ity. Araka izany, afaka hisolo tena ny orinasa ireo mpanakanto na aiza na aiza no toerana mety hisy azy. Misy amin’izy ireo no avy any Mahajanga, Antsirabe, Antsohihy, Atsimo Atsinanana sy ny maro hafa. Hanampy an’i Tence Mena, Oladad, Wawa, Shyn, Denise, Lico Kininike, Dadilove, Stephanie ary i Ceasar araka izany izy ireo amin’ny fiaraha-miasa amin’i Yas Madagasikara.