• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny Foloalindahy
Image
Vaovao

Fahasalamana : Zaza miisa 5 indray no nisitraka ny fandidiana fo misokatra andiany faharoa

09/12/2024 09:41 © Moov

Notanterahina tao amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana (CENHOSOA) nandritra ny herinandro lasa teo ny fandidiana fo misokatra andiany faharoa. Zaza miisa 5 indray no nisitraka izany. Izany dia vokatry ny fiarahamiasan’ny Hopitaly miaraka amin'ny fikambanana "La Chaîne de l'Espoir" hatrany.

Fiaraha-mientan’ny mpitsabo malagasy sy vahiny

Toy ireo zaza efatra efa nisitraka ny fandidiana ny volana may 2024 dia mbola manaraka fitsaboana hatrany ao amin'ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana ireo zaza dimy nisitraka io fandidiana io mandrapaha-sitran'izy ireo tanteraka. Tsara moa ny manamarika fa niara-nisalahy tamin'ny fikambanana « La Chaîne de l’Espoir » izay ahitana mpitsabo matihanina avy any ivelany (CHU de Nantes sy CHU de La Réunion), ny ekipan'ny CENHOSOA izay notarihin'ny Jeneraly Ratovondrainy Willy. Efa maro ihany koa moa ireo ezaka natao mialohan'izao fandidiana izao, toy ny fiofanana nataon'ireo Mpitsabo sy Mpitsabo mpanampy, ary miaramila sy sivily tatsy amin'ny Nosy "La Réunion". Nahazoan'izy ireo fahaizana manokana nentina nanatanterahana izao hetsika izao izany. Teo ihany koa ny fanamboarana foto-drafitr'asa famatsiana rano ho an'ny efitranon'ny Sampana fandidiana fo. Tonga nanampy ihany koa an-daniny ireo mpitsabo mpanampy avy amin'ny Tafika Malagasy sy ny Zandarimariam-pirenena tamin'ny fanatanterahana ny fitsaboana.

2025 : fandidiana miisa efatra

Mbola betsaka ny zaza mila ity fomba fitsaboana goavana iray ity eto Madagasikara. Raha tsiahivina dia miisa 60 eo ho eo ireo ankizy miandry ity fandidiana ity, araka ny fanambarana nandritra ny fanokafana ny toeram-pandidiana ny volana jolay lasa teo. Araka izany, raha ny vinan’ny CENHOSOA dia hetsika fandidiana miisa efatra indray no ho tanterahina amin’ny taona 2025 ho avy io. Any amin’ny volana marsa na aprily any kosa no kasaina tanterahina izany hetsika andiany fahatelo izany. Raha ny fantatra hatrany dia hiparitaka manerana ny Nosy ity fikambanana ity hikaroka sy hijery ireo zaza izay mila ny fandidiana. Tsiahivina moa fa maimaimpoana ny fandidiana fo misokatra ato anatin’ny 5 taona voalohany hisokafan’ity toeram-pistaboana ity.

Lire la suite

Articles Similaires