• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Micc
Image
Vaovao

Sosialy : Miakatra ny vidin'ny vary sy ny hena

09/12/2024 09:36 © Moov

Nahitana fiakarany na ny vary na ny hena tato ho ato. Mampitaraina ny maro izany fidangan'ny vidim-piainana izany.

Maherin'ny 1 000 ariary ny kapoakam-bary

Ny vary tsipala sisa no hany mba mora eny an-tsena. 900 hatramin'ny 950 ariary eo ho eo ny kapoaka. 3 200 hatramin'ny 3 300 ariary izany ny kilao. Tsy dia hita firy eny an-tsena nefa ireo vary somary mora ireo. Efa maherin'ny 1 000 ariary kosa ny kapoakan'ny vary gasy sy makalioka. 1 050 hatramin'ny 1 200 ariary ny kapoaka, ka 3 600 hatramin'ny 4 200 ariary ny kilao. Ny vary "diste", "manalalondo", "riz de luxe" ary ny "Madrigal" no tena lafo. Vao tamin'ny volana marsa teo nefa no 2 700 ariary teo ho eo ny kilaon'ny vary avy eto an-toerana, tany amin'ireo mpanangom-bokatra tamin'iny faritra Ankazobe iny.
Manahy mafy ny mbola fiakaran'ny vidin'entana hatrany ireo mpanjifa, indrindra amin'izao ankatoky ny fety izao. Ny atody moa dia efa miaka-bidy tsikelikely, ka raha nahitana 600 ariary ny mora indrindra teo aloha, dia efa 700 ariary izany.

Miakatra ny hena sy ny vokatra azo avy aminy

"Tsy mahazo totokena na nofon-kena intsony ny 2 000 ariary". Teo aloha mantsy dia 100 grama eo ho eo no azon'io maribola io, tamin'ny hena mbola 18 000 hatramin'ny 20 000 ariary ny kilao. Efa 22 000 hatramin'ny 24 000 ariary nefa izao ny kilaon'ny hena. Misy fiantraikany amin'ny fiainana andavan'andron'ny mponina izany, satria voatery mampitombo ny vola iantsenana vao misy hena ny laoka. Misy ireo tsy mihinan-kena afa-tsy indroa na in-telo isan-kerinandro.

Lire la suite

Articles Similaires