Toetry ny andro : Hivadika rivodoza ilay andro ratsy ao amin'ny Ranomasimbe Indiana
Miomankomana amin'ny rivodoza isika eto Madagasikara amin'ity herinandro ity, indrindra ireo any amin'ny faritra avaratry ny Nosy.
Rahampitso talata 10 desambra no vinavinaina hivadika ho rivodoza ilay andro ratsy ao amin'ny faritry ny Ranomasimbe Indiana. Mbola "Zone de Convergence InterTropicale" (ZICT) no misy hatreto. Mitoetra any amin’ny manodidina ny Nosy Seychelles izy aloha. Mifandray amin’izany dia misy faritra andro ratsy miforona ao atsimo andrefan’ny Nosy Diego Garcia, any amin’ny manodidina ny 2000 Km atsinanan’i Antsiranana. Manodidina ny 40-45 Km/ora ny rivotra miaraka aminy, mahatratra 50 hatramin’ny 60 Km/ora izany anaty oram-baratra.
Manantona ny tapany avaratr'i Madagasikara
Vinavinaina hikisaka hiakandrefana ity faritra andro ratsy ity ato anatin’ny andro maromaro manaraka. Manambana ny faritra avaratra sy avaratra atsinanana izy any amin’ny fiafaran’ny herinandro, raha ny fironan’ny antontan-kevitra no jerena. Miankina amin’ny ho fivoaran’ity faritra andro ratsy ity noho izany ny handrafitra ny toetry ny andro eto Madagasikara ato ho ato. Entanina manokana ny mponina amin’ny faritra Diana, Sava ary Ambatosoa mba hanaraka akaiky ny ho fivoaran’ity tranga ity.
Hatreto aloha dia mbola tsy misy ny filazana loza mikasika ity andro ratsy miforona ity. Entanina kosa nefa ny rehetra hanaraka ireo toromarika ambaran'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny, mba hisorohana ny loza mety mitranga.