• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 2 hatramin'ny 8 desambra 2024

09/12/2024 00:02 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 2 hatramin'ny 8 desambra 2024.

Fifaninanana iraisam-pirenena # Misongadina i Madagasikara

Isika Malagasy, tamin'ny alalan'ny mpianatry ny INSCAE, no laharana fahatelo tamin'ny fifaninana manerantany Excel hoan'ny mpianatra, izay notontosaina tany Las Vegas ny 3 sy 4 desambra lasa teo.
Teo amin'ny resaka fanatanjahantena kosa, fahombiazana ny an'i Madagasikara tamin'iny faran'ny herinandro iny. Teo amin'ny taranja lomano, nahazo medaly volamena i Glorio Precious tamin'ny championnat d’Afrique zone IV atao any Namibie, raha medaly alimo no azon'i Océane Rakotonanahary. Anisan'ny vaovao mahafaly ihany koa ny teo amin'ny taranja tsipikanetibe. Nibata ny fandresena i Jean-François Rakotondrainibe, fantatra amin’ny solon’anarana hoe Zigle, tamin’ny Tir de précision, nandritra ny Championnat du monde de pétanque any Dijon.
Nahitam-pahombiazana ihany koa ny baolina kitra sokajy vehivavy. Nivoaka mpandresy hatrany i Madagasikara tamin'ireo lalao roa nifanandrinana tamin'i Namibie sy Malawi, tamin'ny Cosafa U17 Girl's Championship. Alefa foana Madagasikara !

Biby arovana # Tafaverina ireo biby naondrana tany Thailande

Indroa miantoana ny fahatongavan'ireo biby arovana nisy nanondrana an-tsokosoko tany Thailande, dia ny alahady 1 desambra sy ny alarobia 4 desambra lasa teo. Tamin'ny andiany voalohany dia varika avokoa no tonga, ka efa naterina any amin'ny Centre Reniala any Toliara izy ireo. Tamin'ny andiany faharoa dia sokatra miisa 155 sy varika miisa 31 no tonga. Tsy misy atahorana ny toe-pahasalaman'ireo biby rehetra ireo. Vokatry ny ezaka nataon'ny fanjakana malagasy, ny mpiara-miombon'antoka ary ny fanjakana thailandais no nahafahana nikarakara ny famerenana ireto biby ireto. Mitohy hatrany ny fanadihadihana ny mikasika ity raharaha ity. Manamafy ny fanaraha-maso ireo biby arovana manerana ny Nosy ihany koa ny MEDD.

Ekipa Ankoay # Nahazo fankasitrahana noho ny fandresena

Raha tsiahivina dia ny alahady 1 desambra lasa teo no samy nibata ny amboara tamin’ny lalao famaranana ny Africa Cup 3x3 ny ekipa zazalahy sy zazavavy Ankoay. I Madagasikara araka izany no tompondakan’i Afrika amin’ny lalao baskety. Nanolotra fankasitrahana azy ireo ny teo anivon’ny fitondram-panjakana, ny alatsinainy 2 desambra lasa teo. Nisy ihany koa ny lanonana fankasitrahana ireo mpanazatra sy mpilalao nokarakarain’ny Yas Madagascar, ny talata 3 desambra lasa teo. Koa satria mpanohana ny baskety nandritra ny taona maro ny Yas, nahazo lelavola mitentina 4 000 000 ariary tsirairay ireo mpilalao sy mpanazatra. Tsara ny manamarika fa handray anjara amin’ny « Coupe du monde » izy ireo amin’ny taona 2025.

CEO Summit # Fihaonan'ireo tompon'orinasa goavana sy mpandraharaha

I Madagasikara no nandray ny CEO Summit 2024, izay fotoana fihaonan'ireo tompona orinasa goavana sy mpandraharaha eto amin'ny Ranomasimbe Indiana.
Tanjona tamin'izany ny hanomezana sehatra azy ireo hifanakolazana hevitra sy hifampizarana traikefa sy fomba amam-panao tsara manoloana ireo fanamby ara-toekarena. Nanterin'ny Filohan’ny Repoblika nandritra ny fandraisany fitenenana fa ny sehatra tsy miankina dia anisan'ny fanoitra lehibe amin'ny fampandrosoana ara-toekarena ary fanamby napetraky ny Fitondram-panjakana ny hampiroboroboana ny indostria sy hamokarana eto an-toerana izay rehetra ilain'ny vahoaka malagasy.

Fihariana ho an'ny Ankizy # Manomboka ny tetikasa "Ankizy Hihary"

Nosokafan'ny vadin'ny filoham-pirenena, Mialy Rajoelina, ny "Ankizy Hihary", ny talata 3 desambra lasa teo, teny amin'ny CEG Nanisana. Tetikasa entina hanokafana ny sain’ny ankizy mahakasika ny fandraharahana ahafahan’izy ireo mandray an-tanana ny hoaviny ao anatin’ny fahafahana sy ny fahatokisan-tena tanteraka sy hitondra ny anjara biriky eo amin’ny lafiny fampandrosoana an’i Madagasikara. Mifototra amin’ny tanjona miisa efatra ny tetikasa "Ankizy hihary" dia ny fampivelarana manokana, ny kolontsaina ara-pandraharahana, ny fitondran-tena mendrika eo amin’ny fiaraha-monina, ary ny firaisan-kina amin’ny maha olom-pirenena.CEG miisa 23 manerana ny Nosy no misitraka ity tetikasa ity amin’ity taona ity, raha mpianatra miisa 21 370 no mpianatra efa nahazo fampiofanana mahakasika izany.

CUA # Trano voatokana amin'ny ady amin'ny herisetra

Efa eo an-dalam-panamboarana ny "Premier Centre de Santé Integré dans le cadre de la lutte contre la Violence Basée sur le Genre VBG'', eny Anosisoa Ambohimanarina. Nijery ny fizotry ny asa teny an-toerana ny PDS-n'Antananarivo Renivohitra, Alexandre Georget. Nisy moa ny fandinihana ireo olana manakana ny fandrosoan'ny asa, satria ezahina ho vita afaka roa volana ny trano
Io toby io moa 𝑑𝑖𝑎 𝑣𝑜𝑘𝑎𝑡𝑟𝑦 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑎𝑟𝑎ℎ𝑎-𝑚𝑖𝑎𝑠𝑎 𝑒𝑜 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝐾𝑎𝑜𝑚𝑖𝑛𝑖𝑛𝑎 𝐴𝑛𝑡𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎𝑟𝑖𝑣𝑜 𝑅𝑒𝑛𝑖𝑣𝑜ℎ𝑖𝑡𝑟𝑎 (𝐶𝑈𝐴) 𝑠𝑦 𝑛𝑦 " 𝐴𝑠𝑠𝑜𝑐𝑖𝑎𝑡𝑖𝑜𝑛 𝐼𝑛𝑡𝑒𝑟𝑛𝑎𝑡𝑖𝑜𝑛𝑎𝑙𝑒 𝑑𝑒𝑠 𝑀𝑎𝑖𝑟𝑒𝑠 𝐹𝑟𝑎𝑛𝑐𝑜𝑝ℎ𝑜𝑛𝑒𝑠" (𝐴𝐼𝑀𝐹), 𝑖𝑧𝑎𝑦 𝑣𝑎𝑡𝑠𝑖𝑎𝑛'𝑛𝑦 𝑉𝑜𝑛𝑑𝑟𝑜𝑛𝑎 𝐸𝑜𝑟𝑜𝑝𝑒𝑎𝑛𝑖𝑛𝑎 (𝑈𝐸) 𝑣𝑜𝑙𝑎. 𝑀𝑖𝑎𝑛𝑑𝑟𝑎𝑖𝑘𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑛𝑑𝑟𝑖𝑛𝑑𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑎𝑠𝑎 𝑘𝑜𝑠𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑡𝑎𝑙𝑒𝑎𝑣𝑎𝑛𝑎 𝑚𝑖𝑠𝑎ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑎𝑠𝑎 𝑠𝑜𝑠𝑖𝑎𝑙𝑦 𝑠𝑦 𝑛𝑦 𝑓𝑎ℎ𝑎𝑠𝑎𝑙𝑎𝑚𝑎𝑛𝑎 𝑒𝑡𝑜 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑎𝑑𝑖𝑑𝑖𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑇𝑎𝑛à𝑛'𝐴𝑛𝑡𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎𝑟𝑖𝑣𝑜.

Vakinankaratra # Fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro

Nisy ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro nandraisana ireo mpianatra avy ao amin’ny ISCAM Antananarivo, izay milasy eo anivon’ny Camp ENSOA Antsirabe. Ankoatra ireo karazana teknika samihafa dia nasongadina manokana nandritra ny fiofanana ny fomba fanaovana kajikajy mikasika ny fananganana tetikasa, ny fikarakarana sakafon’ny trondro, ary ny fahaiza-mitantana izany mba ifanaraka amin'ny lalam-pihofanana arahin'izy ireo. Miisa 92 mianadahy ireo mpianatra mandrafitra ity andiany ity, ary mbola hisy andiany roa hafa aorian’izao.

Amoron'i Mania # Tohana ho an'ny Famokaram-bary

Nisy ny fizarana hanam-pamokarana masomboly vary an-drano 4 023 kg, masomboly vary an-tanety 2 088 kg, zezika NPK 8 445 kg, zezika biolojika 42 225 kg ho an'ny tantsaha mpamokatra miisa 563 tamin'ny Kaominina miisa valo tato amin'ny Faritra Amoron'i Mania ho an'ny taom-pamokarana 2024-2025. Izany no nisy dia nho ny Tetikasa Purpa, vatsian'ny BAD vola. Nisy ihany koa ny fizarana Karatra maha Mpamokatra tamin'ireo Mpahazo tombontsoa.
Tanjona amin'izany moa dia ny hampitomboana sy hanatsarana ny voka-bary ho fanatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Tsiahivina fa ao anatin'ny laharam-pahamehan'ny taona 2025 ny hampihenana ny fanafarana entana avy any ivelany, indrindra ireo azo vokarina eto an-toerana.

Antsiranana # Fanentanana mikasika ny fanapoizinana avy amin'ny haza an-dranomasina

Nisitraka fanentanana mikasika ny “Intoxication Alimentaire par la Consommation d’Animaux Marins » (ICAM) ny tao amin'ny Kaominina Ambonivohitr'Antsiranana. Zava-dehibe ny hetsika toy izao mba hisorohana mialoha ny tranga « ICAM » mety hiseho amin’izao fotoanan’ny andro mafana izao. Mbola hitohy amin’ireo toeram-pivarotana haza an-dranomasina maro hafa ao an-tampon-tanànan’ Antsiranana ny hetsika fanentanana sy amin’ireo faritra hafa ihany koa .
Nisy ihany koa ny fampahatsiahivana ireo vahoaka momba ny fikatonan’ny jono mandritra ny fotoana voafetra toy ny jono makamba, oratsimba, drakaka ary ny « sardine » sy ny amin’ny tokony hanajàna izany mba hisian’ny harena voajanahary ho lovainjafy.

Fambolem-bary # Mitohy ny fanohanan'i Sina an'i Madagasikara

Nandray ny "Secrétaire du Comité du Parti Communiste Chinois", Andriamatoa SHEN Xiaoming, ny Filohan’ny Repoblika, ny 6 desambra lasa teo. Mihamafy orina ny fiaraha-miasan'i Madagasikara sy Sina indrindra taorian'ny fandraisan'i Madagasikara anjara tamin'ny FOCAC, notanterahina ny volana septambra lasa teo. Nanao jery todika sy nijery ny hanatsarana hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta ny anton'izao fihaonana izao. Nasian'ny Filoha Andry Rajoelina tsindrim-peo manokana ny hanafainganana ireo tetikasa nosoniavina nandritra iny FOCAC iny indrindra eo amin’ny sehatry ny angovo toy ny Medium Ring Tana, sy ny fampitomboana ny voka-bary amin'ny alalan'ny fampiroboroboana ny fambolena vary safiotra.

COP16UNCCD # Ady amin'ny fihangazanana sy ny fahasimban'ny tany

Tanterahina any Riyadh ny 2 # 14 desambra 2024 ny COP16UNCCD na Fivoriambe faha16 ny Firenena mikambana iadiana amin'ny fihangazanana sy ny fahasimban'ny tany. Mandray anjara i Madagasikara ka mitarika ny delegasiona malagasy ny Minisitry ny tontolo iainana, Max Andonirina Fontaine.
Nandritra ny andro voalohany COP16 UNCCD dia maro ireo adisisika, fihaonana stratejika ary fandraisam-pitenenana nandraisan'i Madagasikara anjara. Nisy ny fihaonana niaraka tamin'ny Talen'ny G20, nahafahana nanao adisisika mahakasika ny fanarenana ny tany simba eto Madagasikara. Hisy arak'izany ny tetikasa iarahan'ny ny G20, ny MEDD ary ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena hisafidianana sekoly iray isaky ny distrika entina hanatanterahana tetikasa fanabeazana ny ankizy hisehatra amin'ny fandraharahana miaro ny tontolo iainana. Andrana no hatao amin'ireo sekoly ireo fa hitarina amin'ny sekoly rehetra ity tetikasa ity.

Tsimbina # Fijerena ny sosialim-bahoaka

Anisan'ny fanamby napetraky ny fitondram-panjakana ny fijerena manokana ny sosialim-bahoaka. Natomboka tamin'iny herinandro lasa iny àry ny hetsika "Tsimbina", teny amin'ny ANS Ampefiloha. Efa nisy ihany koa ny fizarana teny amin'ny kianja mitafon'Ankorondrano sy ny teny amin'ny Coliséum Antsonjombe. Noho ny fetin'ny krismasy sy ny faran'ny taona manakaiky moa no nanatanterahana ny hetsika. Vary 50 kilao sy PPN no azon'ny tokantrano tsirairay. Misy tokantrano 200 000 ihany koa izay hisitraka fanampiana ara-bola. Samy mahazo ny anjarany ny isaky ny boriborintany, raha ho an'ny eto Antananarivo Renivohitra manokana.

Lire la suite

Articles Similaires