• Cours de change
  • 5159.2 AR
  • |
  • $4417.58 AR
Copyright Image : © Aina Amy Van Ember
Image
Vaovao

Fandaharan’asa Mifampitsimbina : Tokantrano miisa 18 000 no hisitraka fiahiana ara-tsosialy eto Antananarivo

04/12/2024 14:45 © Moov

Natomboka teto Antananarivo tamin’ity androany 4 desambra ity ny fandaharan’asa Mifampitsimbina. Ny mponina, indrindra ireo marefo teny amin’ny boriborintany voalohany sy faharoa no nanombohana izany. Haharitra efatra andro ny fizarana eto ary olona miisa 18 000 kosa ireo mpisitraka ireo amin’ity fanombohana ity.

Sakafo sy entana ilaina amin’ny fiainana andavan’andro

Vary iray gony amin’ny 50 kg, menaka, paty, « sardines », siramamy ary ronono mandry, ireo no fanomezana natolotra ireto mpisitraka ireto. Tonga teny an-toerana ny Filoham-pirenena nandritra ity fanombohana ity ary nanamarika izy nandritra izany fa entina indrindra hanamaivanana ny fahasahiranan’ireo mponina ity Fandaharan’asa ity. Ao anatin’izany dia ireo olona tena marefo, toy ireo vehivavy bevohoka, mitaiza kely sy be antitra ary ireo manana fahasembanana no misitraka voalohany ny Fandaharan’asa. « Hanamarika ity programa ity ny fanomezana ireto fanampiana ireto ho an’ireo olona tsy an’asa indrindra ny vehivavy. Mbola hotohizana ihany koa ny fandaharan’asa Tsimbina miaraka amin’ity ka hanamorana ny fahazoan’ny vehivavy tsy an’asa velon-tena », hoy ny Filoham-pirenena nandritra ny fandraisam-pitenenany.

Fiahiana ara-tsosialy amin’ny endriny hafa

Tanterahin’ny Ministeran’ny mponina amin’ny endriny hafa indray ity fandaharan’asa ity, izay programan’asan’ny Filoham-pirenena. Toy ireo fandaharan’asa isan-karazany efa nisy dia mbola fanampin’izany ihany koa izy ity. Amin’ny ankapobeny ny tanjona amin’izany dia ny fampiroboroboana na fampivoarana ny maha-olona. Raha tsiahivina dia efa nisy ny Vatsin’ankohonana izay nahafahan’ny tokantrano miisa 14 750 nisitraka. Eo ihany koa ny Asa avotra mirindra, any amin’ny tontolo ambany vohitra ka olona maherin’ny 10 000 no nahazo tombiny tamin’izany. Ary farany teo ihany koa ny Mitsimbina izay efa nahafahana nanampy olona hatramin’ny 657 000 manerana ny Nosy. Ireo no tatitry ny Minisitry ny mponina, nandritra ity fanombohana ity raha ho an’ny taona 2024. Araka izany, mbola hitondra ny anjara birikiny amin’ny fiainan’ny Malagasy ihany koa izany ny Mifampitsimbina. Tsara ny manamarika fa ho aparitaka manerana ny Nosy ihany koa ity Fandaharan’asa farany ity hahazon’ny rehetra ny anjarany.

Lire la suite

Articles Similaires