Ady amin’ny VIH/Sida : Amporisihina hanao fitiliana ny olona rehetra tsy an-kanavaka
Ny olon-drehetra tsy an-kanavaka no entanina mba samy hanao fitiliana ny VIH/Sida. Nivoitra izany, nandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany iadiana amin'ny VIH/Sida 2024, izay nomarihina omaly, tao amin’ny kianja mitafon’Antsiranana, Faritra DIANA.
Mahalala ny toe-tena
Raha ny tomban’ny rantsamangaikan'ny Firenena Mikambana miady amin'ny VIH/SIDA (ONUSIDA), dia eo anelanelan’ny 70.000 hatramin’ny 75.000 ny olana heverina fa mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida eto Madagasikara. Noho ny ezaka nataon’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ny fitiliana, dia olona manodidina ny 22.000 isa no fantatra fa mitondra ny tsimokaretina, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Pr Randriamanantany Zely Arivelo. Noho izany, mety misy Malagasy manodidina ny 50.000 isa, mitondra ny VIH any anaty fiarahamonina any, saingy tsy mahalala ny toe-tenany akory. Izany indrindra no mahatonga ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka mandrisika ny rehetra mba hamantatra ny toe-tenany, amin’ny alalan’ny fanaovana fitiliana.
Teo aloha, dia namporisihana hanao fitiliana kokoa ireo olona marefo manoloana ny aretina Sida, dia ireo lehilahy miaraka amin’ny lehilahy, ny mpivaro-tena, sy ireo mpitsindrona zava-mahadomelina. Lasa matahotra ny olona, vokatr’izany, sao hosokajiana ao anatin’ireo, raha sanatria miabo ny fitiliana nataony. Ankoatra ny fifindrany avy amin’ny firaisana ara-nofo tsy voaaro anefa, dia mety hifindra amin’ny alalan’ny anton-javatra hafa koa ny tsimokaretina VIH, toy ny fampiasan’ny mpanety fitaovana tsy voadio araka ny tokony ho izy. Vokatr’izany dia tsy tokony ailikilika ny olona mitondra ity tsimokaretina ity, satria misy amin’izy ireny no tsy mahafantatra ny fomba nahazoany ny VIH akory, hoy hatrany ny minisitra.
Zava-dehibe ny fisorohana
Antsiranana, renivohitry ny Faritra DIANA, no nosafidiana mba hampiantrano ny fanamarihana ny andro maneran-tany iadiana amin'ny Sida, izay nankalazaina omaly 1 desambra 2024. Lohahevitra novoizina nandritra izany ny hoe : « Andao omena lanja ny zon'olombelona ». Nandritra ny fanamarihana no nilazan'ny minisitra Randriamanantany Zely Arivelo, fa nametraka paikady lehibe ny fitondram-panjakana, dia ny fanokafana ny fanaovana fitiliana, ho an’ny olona rehetra tsy an-kanavaka. « Vaindohan-draharahan’ny fitondra-panajkana ny fiarovana ny vahoaka ho lavitry ny aretina. Ho an’ny VIH manokana dia any amin’ny lafiny fisorohana no tena tokony atontona ny hery rehetra, satria raha vao tratran’ny VIH ny olona dia tsy afaka ao anatin’ny vatany intsony ny tsimokaretina », hoy ny minisitra. Misy rahateo ny fanafody, izay afaka manampy ny olona mitondra ny tsimokaretina hiaina toy ny olon-drehetra.
Nambaran’ny goverinoran’ny Faritra DIANA, Rakotomanga Taciano, fa isan’ny antony nisafidianana ny Faritra tantanany, ho ivon’ny fankalazana ny andro eran-tany iadiana amin’ny Sida tamin’ity taona ity, ny fahatsapana fa ambony ny tahan’ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH any an-toerana. Nambarany kosa anefa, fa vonona handray ny andraikiny ny Faritra DIANA, miaraka amin'ireo mpiasan'ny fahasalamana, mba ho fahombiazan'ny ady, ka ho Faritra lavitry ny aretina no filamatra.