• Cours de change
  • 5185.74 AR
  • |
  • $4436.88 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 11 hatramin'ny 17 novambra 2024

18/11/2024 06:15 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 11 hatramin'ny alahady 17 novambra 2024.

Barea # Kely ny fanantenana ny amin'ny CAN 2025

Efa tsy kaontin'ny mpandray anjara amin'ny CAN 2025 any Maroc intsony ny ekipam-pirenena Malagasy. Maromaro ireo faharesena tamin'ny "Eliminatoires". Ny manatsara ny isa sisa ny azo atao amin'ny lalao farany (6ème journée), androany 18 novambra. Noho ilay faharesena farany teo, nifanandrin'i Madagasikara sy Tunisie (3-2), sy ireo lalao maromaro izay tsy nahomby, nametra-pialana ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe (Coach Roro). Nanambara ny tenany fa tompon'andraikitra feno tamin'ireo voka-dalao rehetra. Ny mpanazatra mpanampy Gilles Hugon izany aloha no hisolo toerana vonjimaika ny Coach Roro, ambara-pahatongan'ny fanendrena izay mpanazatra vaovao.

Filamatra Matokia # Mpandresin'ny Our Generation 2024

Niofaofa ny sainam-pirenena Malagasy tany Rosia. Nibata ny Amboara tamin'ilay fifaninanan-kira Our Generation 2024 nisoloany tena an'i Madagasikara i Filamatra Rosia. Vao 11 taona monja ny tenany, izay tsy iza fa zanaky ny mpanakanto Stan sy Nanah, tamin'ilay fifaninanana malaza Pazzapa. Tamin'ny alalan'ny "voting public" no nahazoan'i Filamatra ny fandresena. Ny hirany "Iray", amin'ny teny Malagasy, no nentiny nambaboana ny mpitsara sy ny mpijery. Tamin'ny jona 2023 moa ny tenany no namoaka hira voalohany, izay nitondra ny lohateny hoe "hirahira".

Prothèses # Misokatra ny Jaipur Foot Camp Andraharo

Ny 12 novambra lasa teo no nosokafana ny Jaipur Foot Camp Andraharo. Ivon-toerana fizarana ratsam-batana artifisialy na "prothèses" izy io. Olona 500 avy amin'ny lafivalon'ny Nosy no hahazo solontongotra maimaimpoana.
Sokajy roa ny hahazo tombony ka isan'izany ireo izay tsy mbola nahatsapa izany fahafahana mihetsika izany mihitsy saingy ankehitriny dia afaka milalao sy mandeha mianatra an-kahalalahana. Hahazo ny anjarany ihany koa ireo niharan'ny lozam-pifamoivoizana na sendra aretina ka tsy maintsy notapahina ny tongony.
Eo ambany fiahian-dRamatoa Mialy Rajoelina no nanombohana ny Ny "Fikambanana Mahatsangy" miaraka amin'ny Bhagwan Mahaveer Viklang Sahayata Samiti (BMVSS) avy any Inde no mitondra izany tetikasa izany. Fanampin’izany dia hisy fampiofanana sy fanamafisana ny fahaizamanao ho an’ireo mpitsabo sy teknisianina ao amin’ny "Centre d’Appareillage de Madagascar" ao Befelatanana mba ahafahan’izy ireo mifehy ny dingana fanarenana na "réeducation".

Youthconnekt Afrika # Nisy solotena malagasy tany Kigali

Nisolotena an'i Madagasikara tany amin'ny Youthconnekt Afrika ireo tanora nisitraka ny tetik'asa Fihariana. Tany Kigali, renivohitr'i Rwanda, no nanatanterahana ny hetsikaa.
Tapaka tamin'izany fa i Madagasikara no handray ny fihaonana an-tampon'ny Youthconnekt Afrika amin'ny taona ho avy, novambra 2025. Ny firenena malagasy izany no firenena mampiasa sy miteny ny teny frantsay voalohany handray izany fihaonana goavana izany. Solontena manodidina ny 20.000 avy amina firenena maherin'ny 30 no vinavinaina handray anjara amin'izany. Ny Youthconnekt Afrika moa dia natao hanohanana ireo tanora mba ho mpandray anjara feno amin'ny fanovana ara-toekarena aty Afrika amin'ny alalan'ny fanamafisana ny traikefan'izy ireo sy fanomezana sehatra iray hahafan'izy ireo mandrafitra tambazotra eo amin’ny tsenan'ny asa iraisam-pirenena.

AMP # Base de données officielle de l’Aide Publique au développement

Ny AMP dia fitaovana misokatra ho an’ny daholobe hanamafisana ny mangarahara eo @ ny fitantanana an’ireo fanampiana ny fampandrosoana eto Madagasikara (base de données officielle de l’Aide Publique au développement).
Teo aloha dia ny Primatiora, tamin’ny alàlan’ny STPCA (Secrétariat Technique Permanent de la Coordination des Aides) no nandrindra ireo fanampiana ireo sy nitazona ny antontan-kevitra rehetra. Nofohanana ny STPCA ka nafindra ety amin’ny Ministeran’ny Toekarena sy Fitantanam-bola ny asa ka nohavaozina ny fomba fitantanana azy mba hisokatra ho an’ny rehetra amin’ny alàlana haitao ara-kajy mirindra.
Afaka mampiasa azy avokoa ny rehetra raha te ahafantatra momba ireo fanampiana miditra eto Madagasikara. Ireo mpanome sy mpisitraka ny fanampiana no mampiditra ny antontan-kevitra koa manentana azy ireo hampiditra tsy tapaka an’izany.

Fambolena # Fampiroboroboana ny fotodrafitrasa fanondrahana

Nihaona tamin’ny solontenan’ny "Syndicat des Ingénieurs d’Equipement Rural Malagasy" (SNIERM) ny Minisitry ny Fambolena sy Fiompiana, Andriamatoa François Sergio HAJARISON.
Nilaza Andrimatoa Ministra fa anisan’ny zava-dehibe ho an’ny Ministera ny fotodrafitrasa fanondrahana noho izy singa iray lehibe antoky ny fambolena sy fanatsarana ny voka-bary. Ny Syndicat moa dia naneho ny fahavononany amin’ny fanampiana ny Ministera, ka anisan’izany ny fanolorana tolo-kevitra amin’ireo tetikasa mikasika ny fampandrosoana ny fambolena. Vonona ny Ministra ny hifampidinika amin’ny "Syndicat" mahakasika ny paikady entina mampivoatra ny fanondrahana na ho an’ny voly vary izany na ho an’ny voly hafa. Voaresaka ihany koa ny momban'ny fametrahana ny FRERHA (Fonds de Remise en Etat et de Réhabilitation des Réseaux Hydroagricole) ny fijerena ireo mety ho sakana amin’ny fanantanterahana haingana sy tsara ny asa, ho fampivoarana ny Famokarana eto Madagasikara.

Antananarivo Renivohitra # Mitohy ny fanadiovana ny tanàna

Miezaka mamaly ny fitarainan'ny mponina manoloana ny loto ny CUA. Iaraha-miasa amin'ny vahoaka nefa izany. Ny alatsinainy 11 novambra lasa teo, ny teny amin'ny Boriborintany faharoa no nisitraka ny asa fanadiovana. Nosokorina ny lakandrano mirefy 260 metatra teny Faliarivo Ambanidia sy Ampasanimalo. Niaraka nandray anjara tamin'ny CUA sy ny SMA ny mponina sy ireo orinasa teo manodidina. Mitohy ny fanadiovana manerana an'Antananarivo. Mipetraka hatrany ny tanjona ho fisorohana ny fiakaran'ny rano mandritra ny fotoam-pahavaratra. Eo ihany koa ny fanentanana ny rehetra ny amin'ny hanajàna ny toerana fanariana fako.

Fanamboarana lalankely # Tetik'asa "travaux urbains phase 1"
Vita beton sy rarivato ireo lalana miisa 200 eny amin'ny faritra iva manerana an' Antananarivo sy ny manodidina. Mitotaly 5600 metatra izany ho an'ny fokontany Andavamamba Anatihazo I, Andavamamba Anatihazo II, Andavamamba Ambilanibe, Ilanivato Ampasika, Andrefan’i Mananjara, ary Mandrangobato I. Tafiditra ao anatin'ny programan'ny PRODUIR ihany koa ity tetik'asa ity. Mpamatsy vola amin'izany ny Banky Iraisam-pirenena. Ankinina amin'ny fahendren'ny mponina ny fanajana ireo foto-drafitrasa iombonana.
Tsara ny manamarika fa nolanian'ny filankevitry ny minisitra tamin'iny herinandro lasa iny ny hanohizana ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo, ka anisan'izany ny eny Ampasapito, Andraisoro, Behoririka hivoaka an'Antanimena, ary Mandroseza.

Fitantanana ny fako # Gestion des Dechets Solides à Antananarivo (GESDA)

Miezaka mitady vahaolana amin'ny fitantanana ny fako hatrany ny CUA sy ny mpiara-miombon'antoka aminy. Tsy nisy ny paik'ady noentina andrindrana ny fako hatramin'izay. Mitobaka eraky ny tanàna izany, ka tsy araka ny fitanterana azy. Miparitaka ny loto ary manimba ny tanàna.
Natsangana ny tetik'asa GESDA. Fomba iray entina handrindrana ny fako eto Antananarivo. Miompana amin'ny fanavahana ny fako any an-tokan-trano izany. Fahazarana tiana ho ampita amin'ny mponina ny manavaka ny fako mora lo sy ny tsy mora lo. Afaka ahodina sy trandrahina izay hanaovana azy rehefa mitokana izany. Paik'ady mampandroso ary mampadio ny firenena japoney izany ka alaina tahaka.
Nampiharina nandritra ny volana maro tao amin'ny fokontany Ampefiloha ny tetik'asa. Efa mahay manatanteraka azy ny 70%-n'ny mponina. Ho aparitaka manerana ny fokontany hafa izany rehetra tratra ny tanjona napetraka ao amin'ity fokontany nanaovana andrana ity.

Toamasina # Fitokanana ny gymnase Arena Sport Toamasina

Renivohitr'i Madagasikara faharoa i Toamasina. Ho fitsinjovana ireo mpitia fanatanjahantena sy ireo mpanao fampisehoana isankarazany, nanolotra fotodrafitrasa goavana sady manarapenitra ny fitondram-panjakana. Maro izany ireo hetsika ara-panatanjahantena sy ara-kolotsaina miavaka. Omaly alahady 17 novambra no notokanan'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina mivay ny Gymnase Arena Sport. Nampitondraina ny anaran'ny zanaky ny filoham-pirenena ny anaran'ny trano mba ho fahatsiarovana mitoetra.

Toamasina # Fahavitan'ny asa tapany faharoa teny amin'ny Boulevard Ratsimilaho

Vita tanteraka ny ampahany faharoa amin'ny Boulevard Ratsimilaho ao Toamasina, lalana mirefy 1,6 km miainga eo amin’ny lycée Jacques Rabemananjara hatreo amin'ny hôtel Miou Miou. Ny 15 jiona 2024 lasa teo no natolotra ny ampahany voalohany, ary nahafahana nanokatra amin'ny ampahany ny fifamoivoizana amin'ity lalana ity, izay efa tsy azo nampiasaina hatramin'ny taona 1994.
Natao ho fotodrafitrasa raitra, mafy sy maharitra ity Boulevard Ratsimilaho ity ary namboarina hahazaka ny sedran'ny toetry ny andro tahaka ny rivo-doza sy ny riakan-dranomasina. Efa an-dalam-panamboarana ihany koa ny ampahany fahatelo amin'ity lalana ity, manomboka eo Hopitaly Be hatrany amin'ny vavahadin'ny Seranan-tsambon'i Toamasina

Lire la suite

Articles Similaires