• Cours de change
  • 5185.74 AR
  • |
  • $4436.88 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Vaovao

Zon’ny ankizy : Zatovovavy 1 amin’ny 10 no efa niharan’ny herisetra ara-nofo

14/11/2024 12:06 © Moov.Mg

Mbola manaiky ny herisetra ampiharina amin’ny vehivavy sy ny ankizivavy ny fiarahamonina malagasy. Manoloana izany dia mila mandray andraikitra ny rehetra, mba hanovana ny zava-misy, araka ny nambaran’ny solontena maharitry ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF) eto Madagasikara.

Andraikitry ny rehetra

Misy karazana lamina eken’ny fiarahamonina malagasy, ka mahatonga ny fiarahamonina hanaiky ny fanaovana herisetra, ary hitady fifanarahana rehefa misy trangana herisetra, eny na dia fanolanana mihatra amin’ny ankizivavy aza, hoy rtoa Christine Jaulmes, solontena maharitry ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF) eto Madagasikara, tao anaty horonantsary hita ao anatin’ny tambajotran-tseraseran’ny Firenena Mikambana eto amintsika. Manoloana izany, dia misy fiovana tokony hotanterahina, manomboka eny ifotony, araka ny nambarany.

Mbola tena manjaka ny herisetra eto Madagasikara, raha tsy hilaza fotsiny fa zatovovavy 1 amin’ny 10, fara-fahakeliny, no efa tratran’ny herisetra ara-nofo eto Madagasikara, araka ny tarehimarika navoitran-drtoa Christine Jaulmes. Mahakasika ny saranga rehetra eo anivon’ny fiarahamonina ny herisetra, noho izany, andraikitry ny rehetra ihany koa ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy.

Misoroka sy mandray an-tanana

Manentana ireo manam-pahefana rehetra isan-tsokajiny, noho izany, ny solontena maharitry ny UNICEF eto Madagasikara, mba hiara-hientana ka hanova zavatra. « Ireo mpitondra ara-drazana izay henoin-teny, ireo mpitondra fivavahana, ny sefo fokontany sy ireo rehetra manana fahefana eny anivon’ny fiarahamonina dia tokony hampita hafatra, sy handray anjara amin’ny hetsika fisorohana ny herisetra », hoy ny nambarany. Manana andraikitra tahaka izany ihany koa ireo sampandraharaha, tahaka ireo ivon-toerana fandraisana an-tanana ara-tsôsialy, ny sehatry ny fahasalamana sy ny fanabeazana. Sady manana anjara asa eo amin’ny fisorohana ny herisetra izy ireo no manana anjara asa eo amin’ny fandraisana an-tanana ireo olona niharan’ny herisetra ihany koa, araka ny fanamarihana nataon-drtoa Christine Jaulmes. Ny rafi-pitsarana ihany koa dia tokony hanatanteraka ny asany araka ny tokony ho izy, ka hiezaka hampahalala ny lalàna misy amin’ny olon-drehetra ary tokony tena hampihatra marina izany lalàna izany.

Anjaran’ny governemanta, hoy ny mpandrindra ny UNICEF, ny manao ny ezaka rehetra mba tena hampijoro ireo sampandraharaha rehetra ireo sy ny manao izay tena hampandehanana azy.

Lire la suite

Articles Similaires