• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Us Embassy
Image
Vaovao

Akanin’ny Zandarimaria Arivonimamo : Nisitraka tohana avy amin’ny Masoivoho Amerikanina

13/09/2024 14:24 © Moov.Mg

Tonga nanolotra fanampiana ho an’ny Akanin’ny Zandarimaria Arivonimamo ny fianakaviamben’ny masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara, mba ho fanohanana ireo ankizy beazina ao an-toerana, amin’izao taom-pianarana vaovao izao.

Mamolavola hoavy

Miisa 84 ankehitriny no isan’ireo ankizy, zanaky ny Zandary lavo teo am-panatanterahana ny asany, taizaina eo anivon’ny « Centre Orphelinat de la Gendarmerie Nationale » eny Arivonimamo. Notoloran’ny Masoivoho Amerikanina fitaovam-pianarana sy fanampiana ara-tsakafo izy ireo, amin’izao fiandohan’ny taom-pianarana izao. Nandritra ny fanolorana izany fanampiana izany no nanamafisan-dRtoa Claire Pierangelo, masoivohon’i Etazonia miasa sy monina eto amintsika, fa manana ny lanjany ny fanabeazana amin'ny famolavolana ny hoavin'ny ankizy sy amin’ny famporisihina azy ireo hilofo hatrany hanatanteraka ny nofiny. Nanamafy ny fiaraha-miasa amin'ny mpitandro ny filaminana sy ny fanohanana ny tanora Malagasy hanana ho avy mamiratra ihany koa, ny Masoivohon’i Etazonia.

Fanamafisana ny fifandraisana

Ireo solontenan'ny mpiara-miasa eo anivon’ny Masoivoho Amerikanina eto Madagasikara no tonga nanolotra ny fanampiana teny amin’ny Akany Arivonimamo, nahitana ny ekipan'ny Sampandraharaha misahana ny filaminana, ireo miaramila amerikanina, ny sampana serasera ary ny sampana fahasalamana. Nisy ny fiarahana nilalao sy nifaly tamin’ireo ankizy sy ny mpanabe, ho fanamafisana ny fifandraisana eo amin'ireo mpiasan'ny ambasady amerikanina sy ireo mpianatra. Raha tsiahivina dia tamin’ny taona 2013 no niorina teo anivon’ny zandarimariam-pirenena ny « Centre Orphelinat de la Gendarmerie Nationale », Arivonimamo.

Lire la suite

Articles Similaires