• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Marc Ravalomanana
Image
Vaovao

Fifidianana Ben’ny Tanana : Efa misy kandida ofisialy eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra

11/09/2024 16:43 © Moov

Kandida voalohany indrindra nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho Ben’ny Tanànan’Antananarivo, ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Tonga nanatitra ny antontaratasy filatsahan-kofidiana teny amin’ny OVEC, Tanà Ville Isotry ny tenany tamin’ity anio ity. Miisa hatramin’ny 58 ny mpanolo-tsaina miaraka aminy. Milatsaka ao anatin’ny antoko Tiako I Madagasikara kosa izy ao anatin’izany.

Filoham-pirenena ho Ben’ny Tanàna

Araka ny fantatra dia efa Filoham-pirenena teto Madagasikara i Marc Ravalomanana ny taona 2002 hatramin’ny 2007. Hiverina indray araka izany ny tenany saingy ho an’ny Tanànan’Antananarivo fotsiny. Tsy nametraka olana amin’izany anefa ny tenany raha nanontaniana. « Izay ny mpanao politika. Mila mandray ny fotoana fanararaotra rehetra hahafahana miteny ho amin’ny rariny. Tsy olana izany hoe Filoham-pirenena lasa ho Ben’ny Tanàna izany », hoy hatrany ny tenany nanazava. Na dia milatsaka ao anatin’ny antoko TIM aza anefa ny tenany dia manohana azy hatrany ny Firaisankina. Miaraka aminy ao anatin’izany dia miisa 58 ireo mpanolo-tsaina manohana azy. Ao anatin’izany ohatra i Clémence Raharinirina izay efa saika hilatsaka tamin’ny tenany manokana, andro vitsy izay.

Valo andro sisa ny fe-potoana

Raha tsiahivina dia hifarana ny 19 septambra izao amin’ny 5 ora hariva ny fandraisana ireo antontan-taratasy filatsahan-kofidiana. Manana valo andro sisa araka izany ireo izay mikasa ny ho kandida. Hatreto raha ny fanazavana avy amin’ireo OVEC samihafa manerana ny Nosy dia mbola ireo mpanontany sy mpila hevitra hatrany no betsaka. Nanambara ity Kandida avy amin’ny TIM ity fa somary sarotra ny fanangonana ireo taratasy rehetra ilaina izay miisa hatramin’ny 15. Ankoatra azy anefa dia efa maro ihany koa ireo mimenimenina ny momba izany. Etsy andaniny kosa dia manana 48 ora aorian’ny fanaterana ny antontan-taratasy ireo Kandida hamenoana sy hanitsiana ireo izay taratasy tsy ampy. Tsy tokony hiandrasana ny fotoana farany kosa nefa izany satria tsy mahazo io 48 ora io ireo izay miandry ny 19 septambra.

Lire la suite

Articles Similaires