• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Miverina ho laharam-pahamehana ny fanamboarana ireo lalana simba an-drenivohitra

11/09/2024 10:48 © Moov

Misy amin’ireo lalana simba, isan’izany ny eto amin’ny Renivohitra no mbola tsy vita tsara amin’ny laoniny kanefa efa voaloha ny sarany. Araka izany, nanome baiko ny Ministeran’ny Asa vaventy ny Praiminisitra mba hanatanterahana antsakany sy andavany indray ny asa amin’ireny lalana ireny.

Lalana an-tanan-dehibe

Nodinihina nandritra ny fihaonana teo amin’ireo Tompon’andraikitra isan-tsokajiny ireo ny fanarenana ireo làlana an-tanan-dehibe ohatra ny eto an-drenivohitry ny firenentsika. Tsapa hoy ny Praminisitra fa betsaka ireo làlana tsy vita araka ny tokony ho izy. Noho izany, nanome toromarika hentitra ny tenany ny tokony hamitàna fara-fahaingana ireo làlana tsy vita ireo kanefa efa naloa ny vidiny. Raha tsiahivina dia efa miisa 42 ireo karazana lalana tokony hasiam-panamboarana izay nambara tao amin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volana avrily tamin’ny taona lasa, raha ho an’Antananarivo. Efa misy amin’izy ireny no efa vita tanteraka saingy mbola misy kosa ireo mbola tsy nokitihina. Tao ihany koa ireo namboarina saingy tsy vita araka ny laoniny. Izany asa rehetra izany no andrasan’ny Praiminisitra amin’ny Ministeran’ny Asa vaventy mba hijery akaiky ireo orinasa izay nampiandraiketina izany. Voairaka izy ireo hanome baiko ireo orinasa amin’ny fanafainganana ny famitana ireo asa ireo.

Tetikasa goavana

Isan’ny nofakafakaina ny asa fanamboarana ny làlambe migodana (Autoroute AntananarivoToamasina), ny Fly-over Maki, ny Fly-over Anosizato, ny VROT mankany Tanamasoandro, ny làlana miditra ao Fieferamanga sy Ambohimiarina ary ny avenue principale ao Tanamasoandro. Tetikasa goavana avokoa ireo izay an’ny Fitondram-panjakana ary tsy maintsy hotanterahina. Noresahana ireo sakana rehetra misy amin’izao fotoana izao ary nomena ireo toromarika mba hanafainganana ny fanombohan’ny asa. Ireo asa ireo izay efa manomboka ny sasany ary heverina ny hamitana izany ao anatin’ny fotoana fohy. Araka izany, nanentana ireo tomponandraikitra rehetra eo anivon’ny Ministeran’ny Asa Vaventy ny Praiminisitra mba hanatsara ny fomba fiasa izay mifanaraka amin’ny fikatsahana hatrany ny fitantanana mahomby ny làlana eto amintsika.

Lire la suite

Articles Similaires