• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © I-Zara Vaovao
Image
Vaovao

Anjozorobe : Olona miisa 26 indray no voasambotra noho ny raharaha fakana ankeriny

09/09/2024 15:41 © Moov

Mitohy ny asa fikarohana sy fanafoanana ny raharaha fakana ankeriny ao Anjozorobe sy ny manodidina. Olona miisa 26 indray no naseho ny mpanao gazety tamin’ity androany ity noho ny fakana ankeriny. Mian-dahy miam-bavy izany fisamborana izany ary mbola mitohy amin’izao fotoana izao ny fikarohana ireo hafa.

Fongorina hatramin’ny fakany

Anisan’ny vaindohan-draharahan’ny mpitandro filaminana ahitana ny Polisy, Zandary, ary ny Miaramila ny hanafoana tanteraka ity raharaha fakana ankeriny ity. Matetika loatra ny fahamoizana ain’olona amin’izany raharaha izany mantsy. Izany indrindra no mahatonga ny asa tsy maintsy atao laharam-pahamehana hoy ireo mpitandro filaminana. Raha ny fanazavana dia miisa 17 amin' ireo tratra ireo no nandray anjara mivantana tamin' ny fakana ankeriny. Telo nanaovana filazana fikarohana ary 5 kosa nandray anjara tamin' ny fakana ankeriny teo Ankadindramamy mifandray amin' ny raharaha Anjozorobe ihany. « Tsy maintsy foanana hatramin’ny farany ny fakana ankeriny. Marihina fa amin’izao fotoana izao dia mbola misy ireo voasambotra eny an-kianja ary hoentina aty Antananarivo izany », hoy i Colonel Tahiana Ravelomanana, lehiben’ny Sampandraharaha Fikarohana heloka bevava, Zandary eny Fiadanana. Ao anatin’izany asa izany dia manamarika ireo mpitandro filaminana fa efa mampiasa ny fitaovana rehetra mba hanatrarana izany tanjona izany. Ao anatin’izany ny fanampiana ny mpitandro filaminana miantsehatra, fampiasana angidim-by, fampiasana ny « force spéciale », fampiasana moto ary ihany koa ny alika amin’ny fanarahan-dia.

Asa mitohy foana

Toy ny asa tsy mety vita ity mitranga ao Anjozorobe ity. Raha ny tatitry ny Zandarimariam-pirenena hatrany dia efa nanomboka ny volana desambra 2023 ny asa. Hatramin’izay ka hatramin’izao dia olona miisa 97 no efa voasambotra tamin' ny raharaha fakana ankeriny. Jiolahy 9 no maty. Mpitandro filaminana miisa 9 ihany koa no any amponja nohon' ny firaisana tsikombakomba. Raha ny fanamarihana ihany koa mantsy dia lonilony ara-piarahamonina no tena mahatonga ity fakana ankeriny ity fa tsy resaka tsy fandriam-pahalemana. « Araka ny fanadihadiana efa vita dia olana ara-piarahamonina matetika no mahatonga ny olana. Ao anatin’izany ny ady lova, ady tany, ady rano manondraka tanimbary … », hoy ny fanazavana avy amin’ny Zandary. Mifandray amin’izany ihany koa ny nahatratrana ireo mpaka ankeriny tetsy Ankadindramamy izay samy fianakaviana ihany noho ny olana mikasika ny tany. Etsy andaniny, vola manodidina ny 300 tapitrisa ariary no efa lasan' ny dahalo. Ampahany tamin' ireo no tafaverina. Fitaovampiadiana mahery vaika maromaro ihany koa efa azon' ny mpitandro ny filaminana, araka ny tatitry ny Zandarimariam-pirenena hatrany.

Lire la suite

Articles Similaires