• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mic
Image
Vaovao

Fampivoarana Tetikasa ODOF : Hifandrimbona ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Fandaharan’asa nasionaly Fihariana

09/09/2024 09:06 © Moov

Hiara-hiasa ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) sy ny Fandaharan’asa nasionaly Fihariana. Nanatanteraka loa-bary an-dasy izy ireo ny herinandro teo hanohanana ny tetikasa ODOF manerana ny Nosy tetsy amin’ny efitrano fivorian’ny MIC etsy Ambohidahy. Tanjona amin’izany ny hampivoarana bebe kokoa ireo orinasa efa nitsangana ireo sy ny kaoperativa.

Fampiofanana

Fanohanana ny fandaharan’asa ODOF sy ireo kaoperativa no tena anton’ity fiaraha-miasa ity. Miendrika fampiofanana kosa izany izay tafiditra ao anatin’izany fanohanana ara-teknika vinavinaina izany. Tafiditra anatin’ny lamin’asa koa ny mety ho filàna amin’ny famatsiam-bola izay tena fototry ny asan’ny Fihariana. « Ny tanjona moa dia ny fanamafisana ny fahafaha-mamokatra sy ny fahafahan'ny fanjakana manohana na ara-bola na ara-teknika ny ODOF », hoy ny nambaran’ny Talen’ny Fitrandrahana ao amin’ny Fandaharan’asa Fihariana, Irina Ramalanjaona. Marihina fa efa aman-jatony amin’izao fotoana izao ny ODOF efa nitsangana manerana ny Nosy. Efa misy amin’izy ireny no handraisan’ireo mponina any ifotony tombontsoa. Hampitombo izay tombony izay indrindra no tena tanjona amin’izao fiaraha-miasa izao. Mbola handalo dingana manaraka ny fifampiresahana taorian’ny dinika voalohany tamin’iny andro iny.

Fandraharahana

Raha tsiahivina ny tanjona voalohany ho an’ny Fandaharan’asa Fihariana hatramin’ny voalohany dia ny fampiroboroboana ny fandraharahana. Hitondra izay foto-pisainana ho mpandraharaha izay amin’ny mpikambana kaoperativa sy ireo mpiasan’ny ODOF no tanjona amin’io fampiofanana sy fanampiana io. Marihina fa mamolavola mpandraharaha ho matihanina sy ampy traikefa izy ireo. Ho an'ny Fihariana manokana dia singa roa mifampiankina ary tsy afaka misaraka ny fanohanana ara-bola sy ny fanohanana ara-teknika amin'ny alalan'ny fampiofanana. Izany indrindra no entina amin’ireo tetikasa ODOF rehetra manerana ny Nosy. Efa manerana ny Nosy ihany koa ireo Fandaharan’asa Fihariana ka afaka tsara ny hifanampy amin’ny Tetikasa ODOF izay hampivoatra ny orinasa samihafa. Maro ireo fampiofanana atolotry ny Fihariana, ao anatin’izany ny fitantanana vola, ny fiarovana ny tontolo iainana, ny momba ny hetra sy ny maro hafa.

Lire la suite

Articles Similaires