• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 2 hatramin'ny 8 septambra 2024

09/09/2024 00:02 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 2 hatramin'ny alahady 8 septambra.

Fampianarana # Fidiran'ny mpianatra 2024-2025

Maromaro ireo sekoly no nanokatra ny taom-pianarana 2024-2025 tamin'iny fiandohan'ny volana septambra iny. Ireo manaraka ny rafi-pampianarana frantsay no tena nampiditra mpianatra. Ho an'ireo sekoly manaraka ny rafi-pampianarana malagasy, eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny fanabeazam-pirenena, androany 9 septambra ny fidiran'ny mpianatra ofisialy. Mizara 5 ny taom-pianarana, hatramin'ny 20 jona 2025 ; ka ny 9 septambra hatramin'ny 25 oktobra no fizarana voalohany. Misy araka izany ny "Pause Toussaint" ny 26 oktobra hatramin'ny 3 novambra 2024. Tsikaritra fa nanomboka sahady ny fitohanan'ny fiara, indrindra amin'iny faritra Nanisana, Marais Masay, Analamahitsy sy Ankorondrano iny.

Paikafo # Fahalasanan'i AS Andry

Nodimandry ny alarobia 4 septambra lasa teo i Andry Solofo Andriamanantena, fantatra amin'ny anarana hoe AS Andry. 72 taona ny tenany no nindaosin'ny fahafatesana, ary efa herinandro mahery no tsy nahatsiaro tena intsony. Mpanao paikafo malaza moa ny tenany, ka fanaony matetika ny mampiasa ny asa soratry ny rainy, Rado (Georges Andriamanantena), amin'ireo asa tanany. Tontosa omaly alahady 8 septambra ny fandevenana, taorian'ny fanompoampivavahana fanaovam-beloma farany teny amin'ny FJKM Tranovato Faravohitra. Namela tantara tsy hay kosehina tamin'ny kanto malagasy ny tenany.

Chine # Fifanaraham-piaraha-miasa mikasika ny angovo

Ny sabotsy 7 septambra lasa teo, nitsidika ny foiben'ny orinasa Tebian Electric Apparatus na TBEA Group ny filoham-pirenena Malagasy Andry Rajoelina. Orinasa sangany amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa famokarana herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina ao Chine izy io.
Taorian’ny fitsidihana dia nisy fivoriana izay narahana fanaovan-tsonia ny fanatanterahana ny tetikasa "Medium ring Tana", izay hanavao tanteraka ny tambazotra fitsinjarana herinaratra ao amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo (RIA). Ny tanjona moa dia ny hanafainganana ny fanombohana sy hanatanterahana ny asa, mba ahafahana mamaly faran'izay haingana ny filan'ireo mpanjifan'ny JIRAMA tolotra tsara kalitao amin'ny fisitrahana herinaratra.

Anjozorobe # Fisamborana dahalo tompon'antoka tamina fakana an-keriny tao Marotsipoy

Namoaka filazana hazalambo ny amin'ireo tompon'antoka tamin'ny raharaha fakana an-keriny, namoizana lehilahy maromaro, ny mpitandro ny filaminana. Hita ary voasambo-belona i Randriambolasoa Emile, fantatra amin'ny anaram-bositra hoe Klopa na Ledah.
Voasambotry ny mpitandro filaminana tao Ampitiliana, fokontany Anosikely, ny tenany ny 06 Septambra tamin'ny 5 ora hariva, nandritry ny fisafoana. Mitohy ny hazalambo atao amin'ireo sisa miafina. Ny endrika sy ny mombamomba azy ireo moa dia efa navoakan'ny mpitandro filaminana amin'ny peta-drindrina sy ny tambazotra sosialy. Mitohy hatrany ihany koa ny asa fampandriana fahalemana ny faritra rehetra.

Fitaterana an'habakabaka # Misokatra ny sidina Antananarivo-Dubaï

Ny 3 septambra lasa teo no nandraisan'i Madagasikara ny sidina voalohany mampitohy an'Antananarivo sy Dubaï, amin'ny alalan'ny kaompaniam-pitaterana Emirates, teny amin'ny Seranampiaramanidina Ivato. Heverina fa tombony lehibe ho an'i Madagasikara ny fisokafan'izao zotra an’habakabaka izao izay hampitombo ireo mpizaha tany avy any Moyen-Orient, Azia sy Eoropa, fa indrindra hampiroborobo ny fifandraisana ara-barotra sy ny fahatongavan'ireo mpampiasa vola avy any Emirats Arabes Unis. Tanjona napetraky ny Fitondram-panjakana ny hampitombo hatramin’ny 1 tapitrisa ireo mpizahatany eto Madagasikara.

Antananarivo IV # Ankizy marobe no hisitraka kopia

Zaza sy ankizy miisa 1613, iray volana ka hatramin'ny 17 taona, avy ao amin'ny Boriborintany faha-efatra no hisitraka taratasy fanamarinam-pahaterahana, amin’ny alalan’ny tetik'asa Fitsarana mitety vohitra. Vokatry ny fiaraha-miasan'ny Kaomina Antananarivo renivohitra sy ny Vondron'ireo firenena mampiasa ny teny frantsay (OIF) izany. Mbola maro tokoa ireo zaza sy ankizy no tsy manana kopia akory na dia teraka teto an-drenivohitra aza. Anisan'ny sakana amin'ny fianarana sy ny fisitrahana zo isan-karazany izany. "Ezaka lehibe no vitantsika ray aman-dreny izay nitondra ny zanatsika hosoratana manditra ity hetsika ity", hoy ny PDS-n'Antananarivo Renivohitra, Harilala Ramanantsoa.

Andasibe # Nisy hazo nianjera naharatrana mpizahatany

Nisy fiara mpitondra mpizahatany nianjeran'ny hazo teny amin'ny ampahan-dalana mihazo ny Kaominina ambanivohitra Andasibe, lalampirenena faharoa (RN2). Nisy ireo mpandeha naratra tamin'izany. Nahazo alalana avy amin'ny DREDD Alaotra Mangoro ny Kaominina Andasibe ny amin'ny hanapahana ireo hazo antitra ahiana hitera-doza indray. Efa nisy ihany koa mantsy ny trangana fianjeran'ny hazo izay nahatonga fahatapahan-jiro.
Efa nisy ny fidinana ifotony nataon'ireo teknisianina, nijery sy nanisa ireo hazo ireo mialohan'ny fanomezan-dalana. Ny hazo tapaka amin'izany dia atolotra tanteraka ny Kaominina Andasibe, ampiasaina amin'ny fanarenana sy fanamboarana fotodrafitrasa maro.

Behenjy # Nitrangana doro tanety niniana natao

Ny marain'ny 02 septambra lasa teo no nisy doro tanety teny Antanimena, fokontany Ankohofika Velaran-tany 2 ha mahery no kilan'ny afo. Niezaka namono izany ireo fokonolona ka voavonjy ary maty ihany ny afo. Tovolahy miisa telo no tompon'antoka tamin'ny fiandohan'ny afo. Araka ny nambaran'ireo zandary nanao fanadihadihana dia tovolahy avy aty Antananarivo, izay mpamonjy famadihana, no nihetraketraka. 2 no voasambotra, ka ny iray avy any Ampitatafika ary ny iray avy any Alasora. Tafaporitsaka kosa ny iray tamin'io andro io, avy any Ampanefy Atsimondrano. Natolotra ny Fitsarana ny raharaha.

Faritra Antsinanana # Manana orinasa mpamokatra zezika

Mbola anisan'ny foto-piveloman'ny Malagasy maro ny fambolena. Izany indrindra no ilàna zezika tsara mba hampitomboana sy hanatsarana ny vokatra. Raha ho an’ny Faritra Antsinanana manokana dia 4 000 T isan-taona ny zezika organika ary 500 T isan-taona ny zezika NPK vokarin’ireo ozinina mpamokatra zezika miisa 4. Miara-miasa akaiky amin’ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana izy ireo toy ny IRM, Biozen Agri izay mamokatra 2.400T isan-taona amin’ny zezika organika ; ETG izay mamokatra 3.340 T isan-taona amin’ny zezika NPK ; Iazafo izay mamokatra zezika bilojika 500T isan-taona ary BSF mamokatra izay mamokatra 500T isan-taona.
Ny tanjon’ny tetikasa dia ny hanamorana ny fisitrahana zezika amin’ny fampanarahana ny vidiny amin’ny fahefan'reo tantsaha sy hanampariahana izany manerana ny Nosy mba hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Manakara # Fanamboaran-dalana 60 km

Miisa 8 ireo kaominina ivon'ny famokarana kafe sy vokatra maro hafa ao amin’ny faritra Fitovinany : Marofarihy, Amboanjo, Anorombato, Vinanitelo, Bekatra, Ambalaroka, Ambohitrova, Lokomby.Tena ratsy nefa ny lalana ka mampitaraina ireo mpamokatra. Manomboka àry ny asa fanamboaran-dalana, ka efa any an-toerana ireo fiara lehibe sy ireo akora rehetra ilaina.
Amboarina tanteraka ny làlana mirefy 60 km, mbamin’ny lakandrano sy ny tetezana, izay mampitohy an’i Marofarihy sy Lokomby. Maharitra 17 volana ny asa. Ny fanamboaran-dàlana moa dia mifameno amin’ireo tohana hafa efa entin’ny Fandaharan’asa DEFIS, izay eo ambany fiahian’ny MINAE, hampiroboroboana ny famokarana sy ny fidirambolan’ny tantsaha any an-toerana, toy ny saha sekoly vary sy tantely, ny fananganana toeram-panangonana sy fanodinana kafe, sns.

Septambra # Volana erantany momba ny aretina Alzheimer

Hanomboka ny sabotsy 14 septambra ny fankalazana ny volana erantany momba ny aretina Alzheimer eto Madagasikara, izay karakarain'nyFikambanana Madagascar Alzheimer Masoandro Mody. Hisy ny diaben'ny Firaisankiana manodidina ny Farihy Anosy, amin'ny 9 ora maraina. Hisy ny fampahanfatarana momba ny aretina sy ny manodidina azy, arahin'ny fanentanana hiragasy miaraka amin'ny tarika Rabejean Miarinarivo. Tsy ho latsa-danja ihany koa ny fanohanana ny fianakaviana izay manana marary. Ny sabotsy 21 septambra kosa, hisy ny fizahana maimaimpoana eny Fenomanana Mahazoarivo, hitiliana ny fitadidiana, ny diabeta, ny tosidrà ary ny lanja. Ho faranana ny sabotsy 28 septambra ny hetsika, ka ho tanterahina amin'izany ny dinika tora-po sy fiaraha-misakafo amin'ny fianakaviana mitaiza

Lire la suite

Articles Similaires