• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ontm
Image
Vaovao

Fanomanana fifidianana : Androany hatramin’ny 19 septambra ny fandraisana ny antontan-taratasim-pilatsahan-kofidiana

05/09/2024 15:30 © Moov

Nanomboka androany 5 septambra hatramin’ny 19 septambra izao ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo izay hilatsaka ho fidiana ben’ny tanàna sy mpanolo-tsaina. Misokatra amin’ny 9 ora hatramin’ny 5 ora hariva tsy miato ireo OVEC rehetra manerana ny Nosy. Hisokatra ihany koa isaky ny faran’ny herinandro.

Mbola malaina

Tamin’ity andro voalohany nanombohan’ny fandraisana ny taratasy ity dia mbola tsy dia betsaka ireo kandida nanatitra izany. Raha ny teny amin’ny OVEC na ny rafitra mpanamarina sy mpirakitra ny filatsahan-kofidiana teny amin’ny Distrikan’Antananarivo Voalohany izao ohatra dia mbola tsy nisy mihitsy tamin’ny anio. « Mbola tsy nisy tonga tety an-toerana na dia hoe hanontany fanampim-panazavana fotsiny aza tamin’ity androany ity », hoy ny Filohan’ny OVEC eny amin’ny Distrikan’Antananarivo Voalohany. Etsy andaniny anefa dia mbola manana 14 andro ireo kandida amin’izay fanaterana ny taratasy izay. Marihina fa misokatra isan’andro izy ireo miandry izay hanatitra ireo taratasy ireo. Manana 48 ora ihany koa ireo kandida hamenoana ny taratasy raha sendra misy banga izany. Miisa 14 ireo antontan-taratasy ilaina ho an’ireo hilatsaka ho Ben’ny tanàna na ho an’ireo izay hilatsaka ho mpanolotsaina. Tsara ihany koa ny manamarika fa tsy manana ny 48 ora ireo izay miandry farany izany hoe ny 19 septambra vao manatitra ireo antontan-taratasiny.

Fampahatsiahivana

Ireo mpikambana ao amin’ny OVEC dia mananjo ny tsy handray ny filatsahan-kofidiana rehefa tsy mifanaraka amin’ny lalàna mipetraka izany. Araka izany, mampatsiahy ny avy ao anivon’ny CENI amin’ireo fepetra isan-karazany tokony arahina mba hialana amin’ny fandavana. « Ao anatin’ny tsy tokony atao mba handraisan’ny OVEC ny taratasy ny tsy fampiasana ireo taratasy natao « photocopie sy scan ». Eo ihany koa ireo karazana taratasy misalotra ny sainam-pirenena na sarin’ny fitombokasem-panjakana ao anatiny. Ary tsy maintsy misy solontena ny mpanatitra ireo taratasy fa tsy azo atao mivantana izany », hoy ny fanazavana avy amin’ny CENI. Marihina anefa fa misy ireo taratasy « photocopie » saingy tsy maintsy voamarin’ireo sampan-draharaha manome izany izy ireny. Ao anatin’izany ny rosia manamarina ny fandoavana ny fandraisana anjara, ny dika mitovy amin’ny karatra ny mpifidy sy ireo sasany hafa. Efa miomana amin’izany avokoa moa ireo kandida amin’izao fotoana izao raha ny vaovao miparitaka.

Lire la suite

Articles Similaires