• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Témoignages.Re
Image
Vaovao

Fitaterana mikorisa an-tariby : Hanomboka amin’ity taona ity ny fampiodinana ny milina Anosy Soarano

26/07/2024 11:34 © Moov

Mbola tsy misy ny daty voatondro hampandehanana ny « téléphérique ». Vinavinaina hanomboka amin’ity taona ity kosa anefa ny fampiodinana ny milina mampitohy an’ny Soarano sy Anosy, hoy ny ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna Vaovao sy ny Toeram-ponenana (SENVH).

Nahomby 100% ny andrana

Raha tsiahivina dia efa vita avokoa ny andrana rehetra amin’ny fampiasana ity milina voalohany ity. Raha ny fanazavana hatrany dia nahomby 100% io andrana io. Araka izany dia efa azo ampiasaina ny milina mampitohy an’ny Soarano sy Anosy. Ny hany andrasana kosa amin’izao fotoana izao dia ny orinasa hitantana izany. « Roa ireo orinasa lehibe nametraka ny antontan-taratasy hitantanana ny TPC. Vao hatolotra ny Filoham-pirenena izany hahafahany misafidy izay hanatanteraka ny asa. Aorian’izany anefa dia hisy ny fampiofanana ireo olona hiasa ireo, ka izay vao afaka hiodina ity fomba fitaterana ity », hoy hatrany ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna Vaovao sy ny Toeram-ponenana, Gerard Andrimanohisoa. Nanamarika ity farany fa tsy moramora ny asa fampiodinana ity fomba fitaterana vaovao ity satria ain’olona no lalaovina eny ambony eny. Izany no maha-ela ny fomba fiasa. Araka izany, tsy hiandry ny fahavitan’ny asa rehetra ny fampiodinana ity milina voalohany ity. Natao ihany koa izany mba hahafahana mahazo traikefa misimisy kokoa amin’ny fiasana amin’ireo milina hafa.

Hiodina ny milina rehetra amin’ny 2025

Vinavina iray hafa ihany koa ny hamitana ny asa ambiny rehetra amin’ny 2025. Efa maro ny asa mandeha amin’izao fotoana izao amin’ny zotra mampitohy an’ny Soarano – Ivandry ary Ivandry # Ambatobe. Raha ny fanazavana dia efa mamarana ny asa amin’ireo toeram-piantsonana miisa 7 ambiny ny SENVH amin’izao fotoana izao. « Efa mandeha tsara ny asa. Efa maro ireo andry efa mijoro ary efa mandeha ihany koa ny asa fanamboarana ireo toeram-piantsonana toy ny eny Analamahitsy. Ny eo Antanimena sisa no vao hanomboka », hoy hatrany ny fanazavan’ity Tompon’andraikitra ity. Mifandray amin’izany, efa maminavina ny vahaolana amin’ny famatsiana herinaratra ihany koa ny SENVH amin’izao. Raha ny vinavina dia hikarohana fomba famatsiana herinaratra manokana ny fampiodinana ity sy ny Train Urbain.
Tsy maintsy hapetraka hoy hatrany ny fanazavana ny vidy sosialy sy ny vidy tena izy ary ireo tolotra maro samihafa. Hatreto dia 3 000 ariary ny mety ho saran-dalana ambany indrindra.

Lire la suite

Articles Similaires