• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Telma
Image
Vaovao

Hetsika « Urban Mood » : Hanamarika ny faha-10 taonan’ny Gasy Ploit i Agrad sy Tsota

23/07/2024 16:29 © Moov.Mg

10 taona izay no nisian’ny Gasy Ploit. Hetsika iray ho entina manamarika izany tsingerin-taona izany ny « Urban Mood », fampisehoana tsy fahita firy, hiarahana amin’i Agrad sy Tsota ary ireo mpanakanto maro hafa.

Folo taona aty aoriana

« Gasy Ploit io Piso a ! » Samy nahatsiaro izay fehezan-teny kely izay daholo angamba, izay mahatadidy ny fiantombohan-dry Agrad teo amin’ny sehatry ny kanto. Folo taona aty aoriana, mbola maro ireo mpikambana tao anatin’izany Gasy Ploit izany no milomano ao anatin’ny zavakanto, saingy tsy hita matetika, noho ny antony maro samihafa. Na izany aza, tsy navelan’i Tsota sy Agrad handalo fotsiny ity tsingerin-taona faha-10 ity. Izy roa lahy no tompon-kevitra, fa samy manohana ao ambadika avokoa ireo mpikambana, hoy ny fanazavan’i Agrad. Isan’izany i Don Smokilla, namorona ny Gasy Ploit, izay tsy eto an-toerana amin’izao fotoana izao. Fampisehoana nampitondraina ny lohateny hoe : « Urban Mood » no entin’izy ireo manamarika izany, hotanterahina eny amin’ny PK 0 Soarano, amin’ny sabotsy 27 jolay izao.

Fantsy Line

Hizara telo miavaka tsara ity fotoana ity, ka ny tapany voalohany amin’izany dia hanatanterahana ny dingana famaranana amin’ny « Fantsy Line », hifanandrinan’ireo MC (mpanao rap) miisa 8 efa voafantina tany amin’ny lalao fifanintsanana, natao tamin’ny 17 jolay lasa teo. Raha tsiahivina, tany amin’ny taona 2013 no efa namoronan’i Don Smokilla izany « Fantsy Line » izany. Raha hazavaina tsotsotra dia MC roa no mifampidera taim-bava, fa ao anaty fitsipika : tsy miteny maloto, tsy manavakava-bolokoditra, mahay resy sy maharesy… Vonona hanampy ny mpandresy ho lasa tena mpanakanto i Agrad sy i Tsota, araka ny fanazavan’izy ireo, raha toa izy ka mazoto. Manohana ny hetsika ary isan’ny hanolotra loka ho an’ny mpandresy moa ny Telma Madagascar. Araka ny voalazan’i Agrad dia manana hetaheta te hanampy ireo zandry manan-talenta izy ireo, mba hisorohana amin’ny fironana any amin’ny ditra, toy ny fidorohana zava-mahadomelina. Etsy an-daniny, tsy ampy ny mpanakanto miangaly ny « rap » eto Madagasikara, nefa zava-kanto azo entina mampita hafatra tsara, hoy hatrany izy.

Ny fizarana faharoa kosa dia fampisehoana, handraisan’i Tricia sy ALP anjara ary any amin’ny tapany fahatelo no hiaka-tsehatra i Agrad sy i Tsota. Ireo hira nahafantarana sy nankafizan’ny maro azy ireo hatramin’izay no ho entin’izy ireo eny ambony lampihazo amin’io fotoana io.

Lire la suite

Articles Similaires