• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Oms
Image
Vaovao

Andro maneran-tany ho an’ny mpanome ra : olona 201 no nandray anjara tamin’ny fitiliana sy fanomezana ra teny amin’ny CNTS

15/06/2026 09:47 © Moov.Mg

Nankalaza ny Andro maneran-tany ho an’ny mpanome ra ny Ivon-toerana Fitahirizan-dra Nasiônaly (CNTS) eny Ampefiloha, ny 14 jona 2026. Nisongadina nandritra ny hetsika ny fahavononan’ny olom-pirenena handray anjara amin’ny asa famonjena aina, ka olona 201 isa no nandalo fitiliana maimaim-poana sy nanome ra tao anatin’ny iray andro.

Nampitondraina ny lohahevitra hoe « Singa avy aminao, vonjy aina ho an'ny hafa, andao hanome ra » ny fankalazana tamin’ity taona ity. Tanjona ny hampahatsiahy fa ny fanomezana ra dia fihetsika tsotra, saingy afaka mamonjy ain’olona maro, na dia olona tsy fantatra aza no misitraka izany.

Fandraisana anjara nahafa-po

Araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitra, nahazoana vokatra tsara ny hetsika, satria olona 201 no nandray anjara tamin’ny fitiliana sy fanomezana ra. Nisy ihany koa ny hetsika fanentanana sy fampahafantarana ny vahoaka momba ny maha-zava-dehibe ny fanomezana ra an-tsitrapo sy tsy tapaka.

Ny kitapo tsirairay misy ra voaangona dia mety ho fanantenana ho an’ny marary mila fandidiana, ny olona niharan-doza, ny zaza marary na ny renim-pianakaviana sendra fahasarotana ara-pahasalamana. Noho izany dia tena manan-danja be eo amin’ny fiarahamonina sy ny rafitra ara-pahasalamana ny fanomezana ra.

Antso hanamafisana ny rojom-pamonjena aina

Niara-nanatanteraka ny hetsika ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS) eto Madagasikara ary ireo mpiara-miombon’antoka maro. Nandritra ny lanonana dia namafisina ny antso ho amin’ny fanomezana ra tsy tapaka sy ny fanomezana lanja ireo mpanome ra an-tsitrapo.

Tamin’ny fanokafana ofisialy ny hetsika, dia nisolo tena ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny Dr. Tombofeno Jorondraza Vagnono Jean Marc, tale jeneralin’ny Tolotra ara-pahasalamana. Nanentana ireo tompon’andraikitra eny ifotony izy mba hampiasa ny fiara fitaterana marary sy ireo fitaovam-pitaterana misy, mba hanaterana ra any amin’ireo toerana lavitra, raha misy filàna maika, indrindra amin’ny alina. Notsindriany fa asa famonjena aina izany, ka tokony hatao amim-pitiavana sy amin’ny toe-tsaina feno firaisankina.

Mila mpanome ra tsy tapaka betsaka

Ao amin’ny CHU Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA) Ampefiloha no misy ny foibe nasionaly misahana ny fampidiran-dra. Ankoatra izany, efa maherin’ny 90 ireo ivon-toerana sy sampana misahana ny famindrana ramanerana an’i Madagasikara, hita eny anivon’ny hopitalim-panjakana sy ny toeram-pandidiana.

Misy moa ireo fepetra takiana amin’ny fanomezana ra, toy ny fahafenoan-taona, ny fahasalamana tsara ary ny lanja fara-fahakeliny 50 kilao. Ny fanamby ankehitriny dia ny hampitombo hatrany ny isan’ireo mpanome ra tsy tapaka, mba hahafahana mamaly ny filàna ara-pahasalamana manerana ny Nosy.

Lire la suite

Articles Similaires