RAM : Malagasy miisa 5 400 isan-taona no lavon’ny aretina ateraky ny tohitra ody ainabitika
Manamafy ny ady amin’ny fiparitahan’ireo mikraoba mahatohitra fanafody i Madagasikara, amin’ny alalan’ny fanavaozana ny Drafi-Pirenena hiadiana amin’ny tohitra ody ainabitika (PAN-RAM 2.0). Dingana iray entina ho entina miatrika ny loza ara-pahasalamam-bahoaka ateraky ny tsy fandairan'ny, izay mamono Malagasy an’arivony isan-taona.
Drafitra nasiônaly hampihenana ny RAM
Mahatratra 5 400 isan-taona ireo Malagasy mamoy ny ainy noho ny aretina ateraky ny tohitra ody ainabitika na « résistance aux antimicrobiens » (RAM). Miisa 22 900 kosa ireo fahafatesana mifandray amin’ity olana ity, araka ny antontan’isa nampahafantarin'ny ministeran'ny Fiompiana. Manoloana izany, manavao ny paikadiny i Madagasikara, amin’ny alalan’ny fanamafisana ny PAN-RAM 2.0, izay drafitra nasiônaly mikendry ny hampihenana ny fiantraikan’ity loza mitatao ity. Tanterahina eny Anosy, nanomboka ny 15 jona teo ka hatramin’ny 19 jona 2026, ny atrikasa fanamafisana sy fankatoavana ny fanavaozana ny PAN-RAM 2.0., karakarain’ny governemanta malagasy miaraka amin’ny fanohanan’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny fahasalamana (OMS).
Nandray anjara tamin’izany ireo solontena avy amin’ny sehatra maro voakasiky ny ady amin’ny RAM, ka anisan’izany ny avy amin'ny fahasalamam-bahoaka, ny fiompiana, ny tontolo iainana, ny fikarohana ara-tsiansa ary ireo sehatra hafa mifandray amin’ny fiarovana ny fahasalaman’ny olombelona sy ny tontolo iainana. Tanjona ny handinihana sy hanatsarana ny volavolan-drafitra vaovao mba hifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara sy manerana izao tontolo izao.
Loza manohintohina ny fitsaboana
Anisan’ireo olana lehibe eo amin’ny fahasalamam-bahoaka maneran-tany ankehitriny ny fanoheran’ny mikraoba ny fanafody. Rehefa tsy mahomby intsony ny ody ainabitika dia mihasarotra ny fitsaboana aretina sasany, mitombo ny fotoana ilaina amin’ny fitsaboana, ary miteraka fiakaran’ny fandaniana ara-pahasalamana izany. Efa nanana PAN-RAM voalohany i Madagasikara tamin’ny taona 2019. Nandritra ny fampiharana izany dia nisy ny lesona azo noraisina sy fanamby vaovao nipoitra, ka nahatonga ny fanavaozana ny drafitra. Ny PAN-RAM 2.0 dia natao hanamafisana kokoa ny rafitra nasionaly sy hanarahana ireo fenitra iraisam-pirenena.
Miorina amin’ny fomba fiasa “Fahasalamana Tokana” (One Health) ny drafitra vaovao. Io fomba fiasa io dia mampifandray ny fahasalaman’ny olombelona, ny biby ary ny tontolo iainana, satria mifamatotra ny antony mahatonga ny fiparitahan’ny mikraoba mahatohitra fanafody.
Fampiasana tsy ara-dalàna ny antibiôtika
Anisan’ny antony mahatonga ny RAM ny fampiasana tsy ara-dalàna na tsy voafehy ny antibiôtika, na amin’ny fitsaboana olombelona na amin’ny fiompiana. Eo ihany koa ny fanaovana dokotera tena matetika ary ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso amin’ny fampiasana fanafody amin’ny sehatry ny biby sy ny fambolena. Notsipihin’ireo tomponandraikitra, fa mila fitandremana ny fampiasana antibiotika. “Antibiotika ampiasaina am-pitandremana, aina voaaro maharitra”, hoy ny hafatra avy amin’ny ministeran’ny Fiompiana.
Mitaky fiaraha-mientan’ny sehatra rehetra ny ady amin’ny tohitra ody ainabitika. Amin’ny alalan’ny fisorohana, fanaraha-maso ary fanabeazana no ahafahana mametra ny fiparitahan’ireo mikraoba mahatohitra fanafody ary miaro ny fahombiazan’ny fitsaboana ho an’ny taranaka ankehitriny sy ho avy.




