• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Dps
Image
Vaovao

Tambajotran-tserasera : « Influenceurs » 20 isa no nofanina, hampiroborobo ny fahasalamam-bahoaka

23/07/2024 13:59 © Moov.Mg

Andraikitry ny rehetra ny fampiroboroboana ny fahasalamam-bahoaka, ka nofanina hifanome tanana ho amin’izany ireo mpampirona (influenceurs) ao anaty tambajotran-tserasera, ao anatin’ilay tetikasa « Youth Digital Program/YDP 2.0 ».

Mpampita hafatra

Tanora mpampirona 20 isa, nofantenana avy amin’ny lafy valon’i Madagasikara, no nahazo fiofanana nandritra ny roa herinandro, mba ho mpampita hafatra mahomby mikasika ny fahasalamana, ao anatin’ny tambajotran-tserasera. Tafiditra ao anatin’ny andiany faharoa amin’ny « Youth Digital Program » izao fanofanana izao, izay tanterahan’ny PSI Madagascar, ao anatin’ilay fandaharanasa « Impact ». Ny herinandro voalohany no nanomezana fahalalana azy ireo momba ireo tsara ho fantatra eo amin’ny lafiny fahasalamam-bahoka. Lohahevitra nifampiresahana tamin’izany ny momba ny fahasalamana ara-pananahan’ny tanora, ny fandrindram-piterahana, ny tazomoka, ny vaksiny, ny fampiasana ny fanafody araka ny tokony ho izy… Tamin’ny herinandro faharoa kosa dia nifantohana kokoa ny fomba fampiasana sy fikirakirana tambajotra sosialy. Notolorana mari-pahaizana ireto tanora mpampirona ireto, taorian’ny fiofanana.

Fitaovana mahomby

Nosafidian’ireo mpiara-miombon’antoka manokana ny fampandraisana andraikitra ireo mpampirona, noho izy ireo be mpanaraka ao anaty tambajotran-tserasera. Sehatra ahafahan'ny tanora 18 ka hatramin'ny 35 taona miresaka lohahevitra momba ny fahasalamana sy ny fanabeazana mantsy ny tambajotran-tserasera, ka fitaovana mahomby ahafahana manabe sy mampita hafatra, raha hay ny mampiasa azy. Ny Sampandraharaha Amerikanina misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID) no mamatsy vola ny tetikasa ary isan’ny mpiara-miombon’antoka ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ary ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.

Lire la suite

Articles Similaires