• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Consulat De Monaco
Image
Vaovao

Fanabeazana : EPP 3 eto Analamanga sy Itasy, hahazo tohana fampisakafoanana an-tsekoly

23/07/2024 09:20 © Moov.Mg

Fomba iray mahomby entina miady amin'ny fialana an-daharana an-tsekoly ny "cantine scolaire". Tsy ny mpianatra malagasy rehetra anefa no misitraka izany. Miara-miasa amin'ny fanohanana EPP miisa 3 ny masoivohon'i Monaco eto amintsika sy ny vondron'orinasa Habibo.

Fialana an-daharana

Raha ny antontanisan'ny ministeran'ny Fanabeazam-pirenena tamin'ny taona 2023, dia miisa 1 262 000 ny mpianatra misitraka fampisakafoanana an-tsekoly, na "cantine scolaire", eto Madagasikara. Ambany io antontan'isa io, raha oharina amin'ny isan'ny ankizy malagasy mandia ny varavaran-tsekoly. Noho izany indrindra dia nametraka tanjona ny fitondram-panjakana ny hampiakatra 10% isan-taona, ny tahan'ny ankizy misitraka fampisakafoanana an-tsekoly. Etsy an-daniny, mandray ny andraikiny ihany koa ny mpiara-miombon'antoka sy ny sehatra tsy miankina. Marobe mantsy ny tombony azo amin'ny fahafahan'ny ankizy mahazo sakafo any am-pianarana. Voaporofo fa mampihena ny fialan-daharana an-tsekoly izany, satria ny hanoanana dia mitarika tsy fifantohana, aretina sy faharefoana isan-karazany, ka mahatonga ny ankizy tsy hazoto, na tsy ho afaka mamonjy sekoly intsony. Marisika rahateo ny ray aman-dreny mampianatra ny zanany, rehefa fantany fa mahazo tohana ara-tsakafo izy any an-tsekoly. Etsy an-daniny, marani-tsaina kokoa ny ankizy rehefa ampy sakafo, ka mampiakatra ny taham-pahafahana fanadinana izany.

Fanjarian-tsakafo

Ny Masoivohon'i Monaco sy ny vondron'orinasa Habibo no miara-manatanteraka ity tetikasa antsoina hoe : " Appui au fonctionnement de la cantine scolaire" ity. Ny sekoly Fanabeazana Fototra Faravohitra ambony no misitraka azy, miaraka amin'ny fikambanana Zohy Sera, izay manohana sekoly Fanabeazana Fototra roa, dia ny EPP Mahazoarivo sy ny EPP Ambatomboro. Ireto roa farany moa dia any amin'ny kaominina Ambanivohitra Ampefy, Faritra Itasy. Asa atao ao anatin'izany ny fanoloran'ny orinasa Habibo vokatra fanao sakafo, ho an'ireo EPP miisa 3 ireo, ka ny masoivohon'i Monaco no mitondra anjara biriky ara-bola amin'ny fividianana izany. Tanjona ny hanamafisana ny fanjariantsakafon'ireo mpianatra, mba hahafahan'izy ireo miatrika ny taom-pianarana ao anaty vatana salama sy saina matsilo. Maharitra herintaona, azo havaozina, ny fifanaraham-piarahamiasa.

Lire la suite

Articles Similaires