• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fizahantany anatiny : 450 000 Ariary ho an’ny fivahinianana 10 andro any Antsiranana sy fanatrehana ny Festikite

22/07/2024 16:41 © Moov

Manomana dia voalamina mialoha (voyage organisé) mankany Antsiranana ny Ministeran’ny fizahantany ny 18 hatramin’ny 28 aogositra ho avy izao. Mitentina 450 000 ariary monja izany ary tafiditra ao anatiny ny Festival Festikite. Izany no nivoitra nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety androany. Ny tanjon’ny hetsika dia ny hampiroboroboana ny fizahantany.

Tolotra ara-pizahantany vaovao

Tafiditra ao anatin’ny hetsika rehetra fampiroboroboana ny fizahantany anatiny ity hetsika ity. Ankoatra ny dia izay hahafahana mahita ireo toerana mampalaza ny faritra Antsiranana dia tafiditra ao anatin’ny tolotra ihany koa ny fanatrehana ny fifaninanana kitesurf eny amin’ny Baie de Sakalava. « Manankarena tora-pasika isika, fotoana iray hahafahana misarika mpizahatany amin’io karazana fizahantany iray io ity sady tafiditra ao anatin’izany ny Festival Kitesurf izay hahafahana manatanteraka izany tanjona izany », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fizahantany. Marihina fa miara-miasa amin’ny Agence de Voyage Vakansy tsara sady mora sy ny Scofield Travel ny Ministera amin’ny fanatanterahana ny dia. Tafiditra ao anatin’io sandany io avokoa ny filàna rehetra, raha ny fanazavana. Ao anatin’izany ohatra ny trano hipetrahana sy ny saran-dalana rehetra ary ny sakafo maraina, atoandro, hariva mandritra ireo fotoana hijanonana any. Marihina fa voafetra ho 100 farafaha-betsany ny mpandeha azo raisina ary hisokatra manomboka rahampitso ny fisoratana anarana.

Mpandray anjara miisa 150

Raha ho an’ny Festival Festikite manokana izay ho tanterahina ny 23 hatramin’ny 25 aogositra dia miandry mpandray anjara hatramin’ny 150 izy ireo amin’ity taona ity. Raha marihina ny atao hoe festikite dia fifaninanana manamory « kitesurf ». Anisan’ny hetsika iray manomboka mahaliana ny malagasy izy ity ary tsy vitsy ihany koa ireo vahiny mandray anjara amin’izany. Efa miditra amin’ny andiany fahatelo amin’izao ny hetsika. Nanomboka tamin’ny mpandray anjara teo ho eo amin’ny 70 teo ny hetsika ary niakatra hatrany izany. Miaraka amin’ity dia voalamina ity dia antenaina ny hitomboan’ny mpandray anjara. « Tafiditra ao anatin’ny tolotra ara-pizahantany mifototra amin’ny fanatanjahantena ity hetsika ity satria ao anatin’ny fampiroboroboana ny fizahantany avokoa izany », hoy hatrany ny Ministera. Afaka hanana fahalalana momba ity fanatanjahantena ity ihany koa ireo mpandeha mandritra io fotoana handehanana any Antsiranana io. Marihina moa fa raha ny mahazatra ireo “agence de voyage” dia 2 020 000 ariary ity dia ity saingy ny fiaraha-miasa amin’ny Fitondram-panjakana no mampidina io sarany io.

Lire la suite

Articles Similaires