• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Lalana eny Ampefiloha : nohavaozina ny takelaka mitondra ny anaran’i Emile Ralambo, mpanao hosodoko

22/07/2024 12:37 © Moov.Mg

Takelaka fanondroan-dalana (plaque de rue) miisa 4, mitondra ny anaran’ilay mpanao hosodoko, Emile Ralambo, no nohavaozin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ary notokanana omaly alahady 21 jolay 2024.

Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ho fanavaozana ireo takelaka fanondroan-dalana mitondra ny anaran’olona manana ny maha-izy azy, izao fanavaozana ny takelaka mitondra ny anaran’ny mpanao hosodoko, Emile Ralambo izao. Miisa 4 izy ireo, ary teny Ampefiloha avokoa.

Nampiana-tena

Nanana ny maha-izy azy tao anatin’ny tontolon’ny sary hosodoko tokoa raha i Emile Ralambo. Teraka teto Antananarivo tamin’ny taona 1879 ny lehilahy, nianatra tao amin’ny Sekoly Anglisy tao Ambohijatovo Atsimo. Mbola kely izy dia efa nankafy nanao sary hosodoko. Nampiana-tena izy, tamin’ny alalan’ny fandinihana ny zava-boahary sy ny fandikana ireo sary hosodokon’ny mpanakanto malaza. Noho izany, rehefa tsy mianatra izy dia fialamboliny ny manao sary sy mandoko. Izany no nampivoatra azy tsikelikely tao anatin’io zava-kanto iray io. Tamin’ny taona 1897 izy no nivarotra ny sangan’asany voalohany, izany hoe : mbola mpianatra izy tamin’izany. Rehefa nahazo ny mari-pahaizana ahafahana mampianatra i Emile Ralambo tamin’ny taona 1900, dia niditra ho mpampianatra tany amn’ny misiôna protestanta. 30 taona, araka izany, no laniny tamin’ny fampianarana, tany Fianarantsoa. Ankoatra ny hosodoko dia nankafy fanatanjahantena ihany koa izy : tenisy, baolina kitra, hazakazaka am-bisikileta… Etsy an-daniny, samy voafehiny tsara avokoa, na ny teny frantsay na ny teny anglisy.


Copyright Image : © CUA

Nisongadina hatrany am-pitandranomasina

Isan’ny nananany talenta manokana ny manao sarin’ny fiainana andavanandro niainan’ny Malagasy sy ireo fomba mampiavaka ny Malagasy, toy ny sarin-tanàna, ny asa vary, ny famoran-jaza, ny famadihana… Nanao varatava (portrait) ihany koa izy, izay nila ho nitovy tamin’ny saripika mihitsy, hany ka azo kilasiana ho mpanao hosodoko « hyper-réalistes » i Emile Ralambo. Ny tera-tany vahiny moa no tena nanjifa ny sangan’asan’ity mpanao hosodoko malagasy ity. Nisongadina rahateo izy tany amin’ireo hetsika notontosaina tany am-pitandranomasina sy teto an-toerana. Efa nahazo mari-pankasitrahana tamin’izany izy, toy ny medaly volamena, nandritra ny foaran’Antananarivo tamin’ny taona 1947. Misy sangan’asany iray miranty any amin’ny Mozean’i Versailles, nisy hosodokony ihany koa nandravaka ny hajia nandritra ny « Festivals des Arts Nègres de Dakar » tamin’ny taona 1966. Nodimandry teo amin’ny faha-84 taonany Emile Ralambo tamin’ny taona 1963.

Telo taona kosa izao ny kaominina Antananarivo Renivohitra no nanana tetikasa ho fanavaozana ireo takelaka manondro lalana mitondra ny anaran’ny olomanga malagasy. Tanjona ny hampahafantarana ny mombamomba ireny olona nanamarika ny tantara ireny, sy mba ho fitahirizana ny lova tsy azo tsapain-tanana eto an-drenivohitra.



Lire la suite

Articles Similaires