• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mic
Image
Vaovao

Nosy Be : Nahazo milina afaka manodina tantely ara-pahasalamana

22/07/2024 10:13 © Moov

Ao anatin’ny fanatanterahana ny politikam-panjakana momba ny Taninketsa Indostrialy, nahazo ny anjara ihany koa ny ao Nosy Be. Milina fanodinana tantely no sitrahin’ny tantsaha ao an-toerana miaraka amin’ny tetik’asa ODOF. Hahazo ny anjarany amin’ity ODOF ity avokoa ny faritra rehetra ary samy hanana ny manavanana azy tsirairay.

Tantely afaka mifaninana eo amin’ny tsena

Tantely ara-pahasalamana sy afaka mifaninana eo amin’ny tsena, na eto an-toerana na any ivelany, no avoakan’ny Orinasa ODOF any Nosy Be ity. Notokanana ny zoma 19 Jolay 2024 tany an-toerana ny Taninketsa Indostrialy fanodinana tantely hampandrosoana ny seha-piharian’ny mpiompy. Sehatra iray hanome asa ho an’ny mponina ary hanatsara ny tantely ho an’ny mpanjifa indray ity nosokafana ity. Raha ny tanjon’ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra (MIC) dia ny hanatsara ny vokatra tantely any an-toerana no anton’ity tetikasa ity. Marihina moa fa tantely honko sy zahana no tena mampalaza an’i Nosy be. Raha tsiahivina dia politikam-panjakana tanterahin’ny MIC ity ODOF ity. Tanjona amin’izany ny hanangana orinasa manakaiky vahoaka mba hanatsarana ny velon-tenany. Ho an’ny Nosy Be dia vokatra eny ifotony no hatsaraina mba hahafahan’ny mponina eny ifotony mivarotra izany ao an-toerana sy ihany koa mamoaka izany ivelan’ny faritra.

Seha-pihariana mbola malalaka

Nanamarika ny avy ao amin’ny MIC fa seha-pihariana mbola malalaka ny fiompiana tantely any an-toerana. Manodidina ny 500 ny mpiompy tantely any Nosy Be amin’izao fotoana izao. Mivondrona anaty kaoperativa 6 izy ireo. Mbola 5 taonina isan-taona monja anefa ny vokatra raha any amin’ny 20 taonina ny filàna ho an’ny tsenan'i Nosy Be fotsiny, hoy ny fanazavana. Izany no antony hampiroboroboana ny famokarana mba hahafahana mamatsy ny tsena anatiny sy manaparitaka izany ihany koa. Araka ny efa fantatra dia malaza amin’ny resaka fizahan-tany i Nosy Be ; hanampy azy ireo hamokatra tantely manaraka ny fenitra araka izany ity milina ity. Hanampy ihany koa amin’ny famarotana izany amin’ireo mpizaha-tany. Ny Orinasa Distrimax no voafidy hitantana ny milina ODOF ao Nosy Be. Miara-miasa amin’ny kaoperativa maro mpamokatra tantely mamatsy akora fototra azy izy.

Lire la suite

Articles Similaires