• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Commune Urbaine De Toamasina
Image
Vaovao

Fanadinam-panjakana : Nanomboka androany ny BAC, hotanterahina ao anaty fahamailoana tanteraka

22/07/2024 09:10 © Moov

Nanomboka ny taranja filôzôfia ny mpianatra manala ny fanadinam-panjakana Bakalôrea androany tamin’ny 7 ora maraina. Nilamina tanteraka izany hatreto. Haharitra hatramin’ny 1 aogositra izany ary nanome toky ny Ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa hamafisina ny fandriam-pahalemana. Miara-miasa amin’ny mpitandro filaminana izy ireo ao anatin’izany.

Sandoka avokoa ireo laza adina miparitaka

Niparitaka tao anatin’ny tambazotran-tserasera Facebook tao anatin’ny fotoana maromaro ireo olona mivarotra laza adina. Mbola nanamafy ihany ny Minisitra Fidiniavo Ravokatra, Minisitry ny fampianarana ambony mpisolo toerana fa tsy mitombona ireny misy manaparitaka ireny. « Rehefa nohamarinina ny laza adina izay misy mivarotra dia voamarina fa hosoka avokoa ireny laza adina rehetra ireny. Mampitandrina ireo izay nanao ireny fa enjehina araka ny lalana izy ireo », hoy hatrany ny tenany. Araka izany, nanao antso ho an’ny Ray aman-dReny sy ny mpianatra ity Minisitra ity. Niantso azy ireo ny tenany mba ho tony sy hilamina. Sarobidy sy saro-pady ny fanadinam-panjakana ka mandray andraikitra feno ny Governemanta sy ny fanjakana manontolo tamin’ny fanomanana izany. Raha tsiahivina dia efa nisy ireo paik’ady novaina tamin’ity taona ity mba hampilamina ny fanadinana.

Fiaraha-miasa lehibe

Anisan’ny paik’ady vaovao tamin’ity fanadinana Bakalôrea 2024 ity ny fiaraha-miasa lehibe amin’ireo andriam-panjakana isan-tsokajiny. Efa vonona ny mpiantsehatra rehetra manerana an’i Madagasikara raha ny fanambaran’ity Minisitra ity hatrany. Ireo Solontenam-panjakana no mitarika sy mandrindra ary mandamina ny fizotran’ny fanadinana Bakalorea any amin’ny toerana samihafa. Miara-misalahy amin’ireo rantsamangaikan’ny Ministera rehetra isan-tsokajiny izy ireo any. Mitovy avokoa ny toromarika rehetra hitantanana ny fanadinana manerana ny nosy ka efa mby any amin’ireo foibem-panadinana avokoa ny laza adina rehetra ary tsara ambina. « Bakalorea tsy misy tomika sy hizotra antsakany sy andavany no tanjona », hoy ny Minisitra.
Raha tsiahivina dia miisa 218.359 ireo mpiadina voasoratra anarana manerana ny nosy. Miisa 207.097 ireo kandidà avy amin’ny fampianarana ankapobeny. Miisa 11.041 kosa ireo avy amin’ny fampianarana matihanina sy teknika ary 221 avy amin’ny fampianarana teknolojika. Hiparitaka any amin’ny foibem-panadinana 413 sy efitranom-panadinana miisa 6410 izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires