• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Fanondranana sokatra an-tsokosoko : Olona 10 no tratra, tao anatin'ny iray volana

22/07/2024 08:37 © Moov.Mg

Olona 10 no tratra nanondrana sokatra tao anatin'ny iray volana, araka ny fampitam-baovaon'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Mahita fomba vaovao hatrany ireo tambajotra mpanondra an-tsokosoko hivarotana ireo harena voajanahary.

Mampiasa paikady vaovao

Na eo aza ny fanamafisana ny fepetra sy ny fitsirihana, dia mbola misy hatrany ireo sahy manangona sokatra an-tsokosoko any Atsimon'ny Nosy sy mivarotra izany avy eo. Tovolahy iray indray no vao tratran'ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD). Mampiasa paikady hafa indray izy ireo, rehefa mivarotra ireo biby arovana ireo ao anaty tambajotran-tserasera : lazainy fa sokatra notaizainy no voatery amidy, noho ny antony manokana. Raha ny tena marina anefa, hoy ny MEDD, dia mpikambana anaty tambajotra mpanondrana biby an-tsokosoko izy ireny no mody mivarotra izany an-tsinjarany. Tao anatin’ny iray volana izay, dia olona folo, samy ao anatin’ny tambajotra mpivarotra sokatra, no tratran’ny Ministera ary nentina teo anoloan’ny fitsarana. Nisy atidoha mpikotrika tao anatin’izany. Efa samy nampidirina am-ponja avokoa izy ireo, araka ny fampitam-baovao.

Tandindomin-doza

Araka ny nambaran’ny firaisamonim-pirenena dia sokatra an-tanety 5 383 isa no tratra naondrana an-tsokosoko teto Madagasikara, nanomboka tamin’ny volana janoary no mankaty. Mampiseho ny halehiben’ny olan’ny fanondranana harem-pirenena arovana izany. « Tandindomin-doza ny sokatra noho ny fihinanana azy, ny fanondranana an-tsokosoko misy eto an-toerana sy any ivelany, ny varotra tsy ara-dalàna (sy e-varotra), ny famadihana azy ho fahatsiarovana ary ny fahaverezan'ny toeram-ponenany voajanahary. Raha mitohy izany dia mety hanjavona ao anatin'ny 10 taona izy ireo. », hoy ny fanambarana. Mampahatsiahy ihany koa ny MEDD fa biby voasokajy ho lany tamingana ary harena ara-voajanahary izay tsy hita afa-tsy eto amin’ny firenentsika ireo karazana sokatra ireo. Noho ny fiarovana azy ireo dia ny raran’ny fifanarahana iraisam-pirenena CITES sy ny didy aman-dalàna eto Madagasikara ny fanangonana, ny fivarotana, ny fitaterana ary ny fanondranana ny sokatra.

Lire la suite

Articles Similaires