• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

FINTIM-BAOVAO : Ireo vaovao nisongadina ny 15 hatramin'ny 21 jolay 2024

22/07/2024 00:16 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nisongadina ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 15 hatramin'ny alahady 21 jolay 2024

Governemanta # Mbola tsy misy resaka ny fanendrena minisitra

Mbola ireo minisitra teo aloha hatrany no mandray ny asa rehetra eny anivon'ireo Ministera. Nangingina tamin'iny herinandro iny ny mikasika ny fanendrena ny mpikamban'ny Governemanta vaovao, izay tarihin'ny Praiminisitra Christian Ntsay hatrany. Maro ireo mihevitra fa misy minisitra mbola ho tafaverina indray, toy ny minisitry ny fitantanambola, Rindra Rabarinirinarison. Saika nirotsaka ho fidiana sady lany depiote mantsy ny ankamaroan'ireo mpikambana tao amin'ny Governemanta farany teo. Andrasana araka izany ny fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra ny amin'ny fotoana hanambarana ampahibemaso ireo Minisitra vaovao. Tsy mbola nanao fanambarana mihitsy hatreto ny Praiminisitra hatramin'izay nanendrena azy indray.

Fitsarana # Varavarana misokatra ho an'ny daholobe

Fitsarana manakaiky vahoaka. Nisy varavarana misokatra nokarakarain'ny Ministeran'ny fitsarana ny alakamisy 18 jolay lasa teo. Teny amin'ny Lapan'ny Tanàna Analakely no nanatanterahana ny hetsika. Nahatratra hatramin’ny 7.200 ny olona nitsidika.
Nisy ireo trano heva maro mampiranty sy manazava ireo rafim-pitsarana sy fandraharahan’ny fonja isan-tsokajiny sy ny asam-pitsarana maro ary ny paika adim-pitsarana isan-karazany. Nisy ihany koa fampirantiana an-tsary ny andraikitry ny Ministeran’ny Fitsarana ary ny famelabelarana sy ady hevitra momba ny lohahevitra maro. Tao ihany koa ny fanomezan’ny Mpisolovava torolalana maimaimpoana ho an’ireo vahoaka nangataka izany.

Katsepy # Fampiofanana mikasika ny fiarovan-tena amin’ny loza an-dranomasina

Mpanjono miisa 22 mirahalahy, ao amin'ny Site bioculturel Antrema Katsepy, no nisitraka fampiofanana mikasika ny fiarovan-tena amin’ny loza mety hiseho an-dranomasina. Lohahevitra roa no niompanana. Nampianarina voalohany ny fampiasana ireo fitaovana miaraka amin'ny salotra vonjy aina na ireo fitaovana izay mandrafitra ireo "Kit de sécurité en mer " toy ny jiro fitsilovana, ny radio ahodin-tànana, ny fitaratra , sns mandritra ny asa fanjonoana. Nazavain'ireo mpampiofana ihany koa ny mikasika ireo fihetsika tokony hatao raha sanatria tra-doza na toa ka miatrika olona sendra ny loza eo hampanatanterahina ny asany eny an-dranomasina. Ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) Boeny moa no nanatontosa izany fampiofanana izany.

Ambanja # Milina fanodinana kakao

Mahatratra 15.000 taonina isan-taona ny vokatra kakao any amin’ny distrikan’Ambanja. Manodidina ny 90 ireo kaoperativa mpamokatra kakao mitsangana ara-dalàna izay ahitana mpikambana an-jatony maro ary afaka mamatsy akora fototra. Izany indrindra no nanomezana milina mahatoto kakao 1 taonina isan’ora ho an'ireo mpamokatra. Tafiditra ao anatin'ny tetikasa ODOF izany fampitaovana izany. Marihina fa ny vokatra "cacao fin" malagasy dia mitazona ny laharana voalohany eran-tany. Izy no manana ny kalitao farany tsara indrindra manerana an’izao tontolo izao ary voamarina “BIO”. Misy amin'ireo mpamokatra moa no tsy mionona amin'ny fanodinana vovona kakao fotsiny, fa manolotra vokatra hafa ihany koa, dia ny menaka sy ny dibera vita amin'ny kakao.

Toamasina # Be mpitsidika i Miami

Maherin'ny 91 250 ireo nitsidika an'i Miami nandritra ny iray volana nanokafana io toeram-pitsangatsanganana io. Samy voasitona hiala voly ao na ireo mponina ao Toamasina na ireo mpialasasatra na ireo mpizahatany. Sady misy toerana azo ilalaovana, ipetrapetrahana sy isakafoanana mantsy ny toerana. Misy ihany koa ny toeram-pidiovana. Tsy adinon'ireo mpitsidika mihitsy ny maka sary manoloana ilay soratra lehibe hoe "Miami". Hatreto aloha, voahaja tsara ireo fotodrafitr'asa rehetra. Misy ny fanaraha-maso tsy tapaka sy ny fifehezana ireo mpitsidika. Tsy azo atao ohatra ny manitsaka zaridaina na manary fako eny rehetra eny.

Atsimo Atsinanana # Fiotazana sy fivarotana lavanila maitso

Ny 15 jolay lasa teo no nanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny taom-piotazana lavanila maitso ho an'ny faritra Atsimo Atsinanana. Tany Ambohitrabo kaominina Amporoforo moa no nanatanterahana ny lanonana. Nampahatsiahivin'ny Talem-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) Atsimo atsinanana fa misy lalàna mifehy ny lavanila. Mitohy hatrany araka izany ny asa fanaraha-maso eny amin’ny tsena rehetra ho an'ny vokatra lavanila. Tena efa matoy ny vokatra lavanila maitso raha ny hitan'ireo tompon'andraikitra tamin'io andro nanatanterahana ny lanonana io. Ampahatsiahivina ny rehetra fa amin'ny 31 jolay no mifarana ny fandraisana ireo antontan-taratasy ho an'ireo mpamokatra mikasa hanondrana lavanila any ivelany.

Sainte-Marie # Tontosa ny Festival des Baleines

Omaly alahady 21 jolay no nofaranana tamin'ny fomba ofisialy ny Festival des Baleines 2024. Fahombiazana ny hetsika satria samy nahazo ny anjarany avokoa ny sokajin-taona rehetra, na ireo mponina ao Sainte-Marie na ireo mpanao vakansy. Nisy ny kilalaon-tsaina, ny fifaninanana ara-panatanjahantena sy fanentanana isan-karazany, izay samy nanoloran'ny mpikarakara loka avokoa. Nahita trozona teny an-dranomasina avokoa ireo nandray anjara tamin'ny "Safari Baleines" rehetra. Nahaliana olona betsaka ihany koa ny "Election Miss Festival des Baleines", ny sabotsy 20 jolay lasa teo. Maro ireo mpialasasatra no nitsidika an'i Sainte-Marie nandritra iny hetsika iny. Antenaina fa mbola hisy indray ny Festival des Baleines amin'ny taona ho avy.

Mozika # Hira Generation 2000's

Mpanakanto miisa 7 no miombona hamelona indray ireo hira tena nalaza tamin'ny taona 2000. Manome fotoana ireo nankafy ny mozikan'ny Taona 2000 i Titi, i Raboussa, i Tovo J'hay, i Joy'K, i Spydee ny tarika Unik ary ny tarika Zay, ny alahady 28 jolay ho avy izao. Ao amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina (Palais des Sports et de la Culture) Mahamasina ny seho. Andiany faharoa moa ity hetsika ity, ary ireo tanora teraka ny taona 1980/1990 no tena iantefan'ny antso. Efa eto an-toerana i JoyK, mpanakanto monina any ivelany, izay anisan'ny hanafana ny sehatra amin'io fotoana io.

Echecs # Nodimandry i Raveloson Miah

Nindaosin'ny fahafatesana ny Alarobia 17 jolay lasa teo i Raveloson Miah Tsiambaratelo, tovovavy 22 taona. Mpilalao fanta-daza amin'ny Taranja Echecs ny tenany, ary efa nisolo tena an'i Madagasikara tamina fifaninanana maro. Voalaza fa tratry ny lozam-piarakodia teny Analamahitsy Nanisana teny ny tenany, ka nitsoaka ny fiara izay nandona azy tamin'izany. Ireo mpandalo moa no nahita ny vatana mangatsiakany, feno ratra. Efa hita tamina "caméra vidéosurveillance" iray ny zava-nitranga rehetra, ka efa tratra ilay mpamily. Omaly alahady 21 jolay no notanterahina ny fandevenana azy, teny Manandriana Avaradrano. Eo am-piandrasana ny fanadihadihana marina sy azo antoka, niparitaka tamin'ny tambazotra Facebook fa vono olona no nitranga, izay nosaronana tamin'ny lozam-piarakodia.

Polisim-pirenena # Fanondrotana Galona

Miisa 50 ireo polisim-pirenena nisitraka fisondrotana Galona. Ny 28 amin'izy ireo no nampiakarina ho eo amin’ny gradin’ny Commissaire Principal de Police. Ny 22 kosa nahazo ny gradin'ny Commissaire de Police 1ère Classe. Nisy moa ny lanonana ofisialy izay notarihin'ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police Rakotoarimanana Herilala, teny amin'ny Toby Razafindrazaka Berthin. Nanamafy ny minisitra fa tsy nataotao foana izao fanondrotana galona izao fa vokatry ny asan'ireo nisitraka izany.

Fanolanana # Tovolahy 17 taona nidoboka am-ponja

Nahitana fihenana ny trangana Fanolanana zaza sy ankizy tsy ampy taona, noho ilay lalana vaovao mikasika ny sazy famosirana ho an’izay tratra. Mbola misy ihany nefa ny minia mikimpy ka tsy misaina afa-tsy ny filan-dratsiny.
Nampidirina am-ponja eny Antanimora ny zazalahy iray 17 taona rehefa voamarina fa nanolana ankizivavy vao 3 taona monja teny Namontana. Tsikaritry ny ray amandrenin'ilay zaza fa niova ny toe-pahasalaman'ny zanak'izy ireo. Natao ny fizahana teny amin'ny mpitsabo ka voamarina fa niharan'ny fanolanana ilay zaza . Nametraka fitoriana avy hatrany izy ireo ka ny 17 jolay teo no voasambotra teny Namontana Anosibe ity zazalahy ity . Fantatra fa nandritra ny fotoana tsy naha-teo ny ray amandreniny no nanolanan'ity tovolahy ity an'ilay zaza.

Lire la suite

Articles Similaires